Wednesday, 21 June 2017
FAMILLE
Il est des chansons dans lesquelles on s'identifie, on se retrouve.
Il est des inspirations que les autres ont déjà transcrites dans leur langue.
Et il arrive que deux ou trois les traduisent, chacun de son côté, à des moments différents.
Cette fois, Jean-Jacques GOLDMAN est bien servi !
ISAN'NY HAVAKO IANAO (Ony RAMBELO, Ilay Olondia)
Tsy mangina tsotra izao
 
 Raha ianao no an-tsaiko ao,
 
 Izaho lavitry ny tananao,
 
 Ny tenanao sy ireo namanao
Kanefa ekeko izany noho ianao.
Tsy fantatro ny anaranao
 
 Na ny tanàna izay misy anao.
 
 Mahantra ianao? Manan-katao?
 
 Na fotsy na mainty aza ianao,
 Tsy miery amiko ny fijerinao.
Ianao mikaroka endrika izay,
 
 Ilay mitady toerana ankiray
 
 Izay fihantsonako indraindray…
Isan’ny havako ianao,
 
 Ny laharako no laharanao,
 
 Nofidiko raha ianao
 
 Tsapako ao am-poko ao
 
 Eo anivon’izao rehetra izao.
Ianao dia havako tokoa
 
 Mihoatra noho ny iray tampo
 
 Aoka tsy ho fadiranovana, 
 
 Ianao hahita fiarovana
  
 Eto an-tany fandalovana.
Tsy fantatrao izay haleha
 
 Ny fanontanianao, be dia be.
 
 Na fotsy na mainty, lasa izao
 
 Fa tsy misy tena hinoanao
 
 Raha tsy hoe angaha ny tenanao.
Isan’ny olon-dresy ianao,
 
 Asa izany raha tsapanao
 
 Ianao ilay zatra iva fijery
 
 Minoa anefa fa tsy ho very,
 
 Mbola ilaina ianao ka tsy ho irery.
Ianao tsy mba mitady aretina,
 
 Zavatra kely dia ampy hoentina
 
 Hitondra ho anao fahafinaretana
Isan’ny havako ianao
 
 Ny laharantsika dia iray
 Isan’ny havako ianao
 
 Mpiara-monina amin’ny fotoana iray
Isan’ny havako ianao
 
 Andao mba hiaraka indraindray!
HAFA KOSA IANAO (Rondro RAKOTOBE)
Raha misaina anao aho
Miova loko ny tontolo
Havanao sy ianao
Tsy misy hitako izao
Samy lavitra ahy daholo.
Tsy fantatro hatrizao
Anaranao na fonenanao
Manam-be sa mahantra
Toa an'iza, mahagaga ...
Afa-tsy ny fijerinao
Mitady sary ianao hoe
Mitady toerana haleha
Mety ho falehako indraindray
Tena havako ianao
Tsy olon-kafa fa havako
Ilay notadiaviko
Ilay hany notiaviko 
Tamin'ny olon-tsotra maro
Tena havako ianao
Mihoatra noho ireo akaiky ahy
Ity fiainana ity
Hafahafa fitia
Fa hafa kosa ho'aho ianao.
Ny fiainanao eo foana
Tsy fantatrao mankaiza sy ahoana
Miovaova ny tany
Tsy ahoanao izany
Fa hafa ny finoanao
Manaiky ianao anaty 
Fa isan'ireo very anjara
Nefa ny toky tsy maty
Mbola velona tsara
Mbola amalianao antso koa
Mbola finoanao
Fa misy hasambaranao
Na dia kely fotsiny aza
Tena havako ianao
Mitovy ra, mitovy anjara
Tena havako ianao
00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE  | Tags: rondro rakotobe,  ony rambelo,  famille,  jean-jacques goldman  | Comments (0)  |  Facebook |  |  |
 Facebook |  |  | 

