Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 15 August 2017

FJKM 2017

Le Président donne le ton.

Chapitre 11 : tsisy e-baiboly

...

1-ITAFIO JESO KRISTY TOMPO (Rom.13:14)

Aoka izy no ho hita amin'ny fomba fitafy. Aoka ho ny fiheverana ny aminy no hibaiko.

2-TOETRA MIAFINA AO AM-PO NO IRAVAHO (I Pet.3:3-4)

"Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana. Fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'' Andriamanitra".

3-FANTARO NY FOTOANA MAHAMETY (Mpit.3:1)

"Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy". Hafa ny akanjo fitondra eny amin'ny fanaovana fanatanjahan-tena, eny amoron-dranomasina, any amin'ny toeram-piarahana mivavaka. Fahendrena ny fahaizana manavaka an'izany.

4-AZA MANARAKA NY LASITR'IZAO TONTOLO IZAO (Rom.12:2)

Aza manaiky hobaikoin'ny lamaody fa ny "sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara, sady ankasitrahana no marina".

5-FANTARO NY ANTOM-PISIANA VOALOHANY NANAOVANA NY AKANJO : FIAROVANA AMIN'NY FITANJAHANA.

Tany Edena, rehefa nahatsiaro menatra i Adama sy i Eva fa nitanjaka, dia nanjaitra ravin'aviavy "hatao sikina" (Gen.3:7). I Jehovah kosa, nampitafy azy hoditra (Gen.3:21), mba tsy ho sikina fotsiny fa hahatafy ny tenany mihitsy! Hatreo dia mariky ny fahatezeran'Andriamanitra ny fitanjahana. "Indro, hamely anao aho hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary haingako amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao" (Nah.3:5). Andriamanitra tezitra mafy no niteny hoe "Akaro ny moron-tongotr'akanjonao, aoka hiseho ny fenao" (Isa.47:2). Nahasaro-piaro an'i Jehovah hatrao amin'ny toerana masina izany ka hoy izy : "Aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao" (Eks.20:26). Ary izao no torohevitra nomena ny anjelin'ny fiangonana tao Laodikia : "Manoro hevitra anao aho hividy amiko ... fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny hanatrao noho ny fitanjahana" (Apok.3:18). Izany no tsy mahamendrika ireo lamaody mampihanjaka rafi-batana samihafa : sandry, tratra, foitra, fe, lamosina; na robe na zipo na pataloha fohy kely na lava mifinjifinjy manara-batana; na akanjo manify mitaratra. Aza manao hoe "ka mafana aho kah". Jereo ny vehivavy silamo.

6-TSINJOVY NY HAFA

Aoka tsy ho loharanon'ny fakam-panahy ho an'ny lehilahy. Hoy Jeso : "Fa izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady" (Mat.5:28).

7-TSAROVY FA EPISTILY VAKIN'NY OLONA REHETRA IANAO

Hoy Paoly : "Ianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin'ny olona rehetra" (II Kor.3:2). Ny fiheverana ny fahamendrehan'ny fitafiana dia atao na aiza na aiza : eny an-tanàna, any an-tsekoly, eny am-piasana, ...

[Ndlr, dia ahoana ny eny amin'ny piscine?]

8-TANDROVY NY FAHAMAOTINANA

Araka ny tenin'i Paoly hoe : "Ary toy izany koa ny vehivavy, hiravaka amin'ny fitafiana mahamendrika mbamin'ny fahamaotinana sy ny fahononan-tena, fa tsy amin'ny volo mirandrana sy ny volamena na vatosoa na fitafiana sarobidy" (I Tim.2:9). Mila manontany tena lalandava hoe "mendrika ve izao".

9-FANTARO NY ZAVATRA REHETRA, TANO MAFY IZAY TSARA (I Tes.5:21).

Aoka tsy ny fomba fitafin'ny artista malaza na mpanao sarimihetsika malaza, milona ao amin'ny fijangajangana sy ny fidorohana zava-mahadomelina no halain'ny vehivavy/tovovavy/zazavavy kristiana tahaka.

10-SAHIA MANAPA-KEVITRA HITAFY MENDRIKA MANOMBOKA IZAO.

Hoy Jeso : "Raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny ka ario ho afaka aminao". (Mat.5:29).

Amin'i Jeso, raha misy mety hitarika hanao zavatra mifanohitra amin'ny sitrapon'Andriamanitra, dia esory hiala, ario, na maharary aza. Misy fitafiana tokony hamboarina ve any, na hariana mihitsy? Sahia manapa-kevitra. Aza anaovana intsony manomboka anio. Aza i Pasitera no atahorana.

 

Namboarina avy amin'ny lahatsoratry ny Mpitandrina #IRAKO_ANDRIAMAHAZOSOA_Ammi

FJKM Androndra Fahasoavana, 22 avril 2012

 

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fjkm, irako andriamahazosoa ammi | Comments (0) |  Facebook | | | |