Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 01 August 2017

FISAONANA FAOBE

Efa tsy te hanoratsoratra intsony mihitsy aho. Saingy tsy tokony hodian-tsy hita ireto :

-Lalana kitoatoa, korotofahana, tsy an-tsaha, tsy an-tanàna

-Mponina miahoaho mifanaretsaka amin'ny mpivarotra anaty lalana, amin'ny karazan-tsarety sy posy mitondra ny zara fa eran'ny aina

-Mpamily kitanitany, tsy nandia sekolim-panamoriana, fahazoan-dalana vorontsiloza, mipoerapoera nahazo fiara mihoatry ny sarangam-piainany, tsy mahalala fomba, tsy ampy fitaizana na tsy voataiza mihitsy

-Fiarakodia mikodiadia tokoa, korontam-by misy kodiarana, vatam-paty mandehandeha, niporitsaka fotsiny teny amin'ny fizahàna ara-teknika

-Mpandeha be kafiry, manao fatra-tsaonjo ny tenany, sady miampofo no mitrotro no mila hibaby ao anaty fiara, soratra fotsiny ny hoe zaza dimy taona mandoa (maka) toerana iray

-Mpandrindra ny fifamoivoizana tia kely, tia vola, mahafoy fandriana handeha "hanotra" fa tsy hisoroka ny loza, tsy hampitandrina, tsy hanasazy, mainka moa fa hoe hampianatra!

-Fandriampahalemana tsy mba hoe tsizarizary, fa tsy misy mihitsy, mety ho mpamono anao daholo izay hitanao (sy mahita anao) rehetra

-Fari-piainana sy toe-pahasalamana manafohy ny andro iainana

-Ny fetr'andro voalahatry ny Mpahary rahateo ...

Eo am-baravarana isa-tsegondra ny fahafatesana. Ka raha mbola eo ireo rehetra ireo, dia hisy foana ny maty. Hisy ny maty tsirairay. Hisy ny hiara-maty.

Ary raha ireny rehetra ireny no hitakiana "fisaonana faobe", dia hisaona mandavan-taona ilay firenena.

18:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: deuil collectif, accident de la route | Comments (0) |  Facebook | | | |