Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 16 May 2017

MBOLA VOA IHANY

Nifanao fati-dra vao haingana izaho sy ny hakamoana, saingy tsy aritro ihany ity rey olona.
 
Mbola "voa" ihany. Tsy hoe voa ahoana fa ilay taova atao hoe reins.
 
Tena saro-pady izy io ary antoky ny ain-dehibe satria ny asany dia manatantavana ny ra ary manilika ny loto sy ny poizina hivoaka amin'ny alalan'ny pipi. Jereo ilay note hoe #fakan-tsilo.
 
Rehefa simba izy ireo ka tonga amin'ny tsy fahafahany miasa intsony, dia izay ilay atao hoe insuffisance rénale. Atao hoe insuffisance rénale terminale izy rehefa tody amin'ny fetra farany. Tsorina, fa vavahadin'ny fahafatesana. Tsy mipipi, mibinabina, sempotra, hatsatra. Izay no fisehon'aretina misongadina. Ny azo atao dia fanoloana ny voa (transplantation rénale). Soloina ny voa, fandidiana no atao. Misy fepetra anefa izany, ankoatra ny antsipiriany ara-bola sy ara-teknika :
 
•Mila mpanome (donneur). Mety ho olona velona no hanome ny voany anankiray, mety ho olona an-dalam-pahafatesana no manao don d'organes.
 
•Tsy rehefa "voa" dia mety fa mila "compatibilité" toy ny greffe rehetra. Tokony "hifanaraka" araka izay azo atao ny taovan'ny mpanome sy ny mpandray mba tsy hanao rejet
 
•Tsy dia misy banque d'organes tonga dia vonona fa miandry mpanome, ary miandry tour ...
 
•Mahazaka fandidiana ny saina amam-batan'ilay marary.
 
Eo am-piandrasana an'izany rehetra izany dia mila saikena na soloina mihitsy ny asan'ny voa. Izay ilay atao hoe dialyse. Atao isaka ny roa na telo andro io satria amin'izay dia efa vonto loto sy poizina ny ra noho ny voa efa tsy miasa. Misy milina ety ivelany manao ny asan'ny voa. Avoaka manontolo ny ra, ampandalovina ao, dia averina ampidirina amin'ny vatana. Izay no ivelomana roa na telo andro eo ho eo. Mandra-pahoviana? Mandra-pahita donneur, na mandrakizay raha maharaka ny enti-manana ara-bola.
 
Izany sy izany ny fahasarotana amin'izy io. Tsy manakivy ny olona hiraviravy tanana aho fa mitaona antsika ho réalistes eo anatrehan'izay fifanampiana tokony hatao. Inona (sa iza) no hotsinjovina.
 
DIENY SALAMA
 
Misy fitandremana azo atao ihany mba tsy hahasimba ny voa :
•tsaboina ny ati-vava : amboarina ny nify loaka, esorina ny faka-nify tapaka satria midina mamely ny voa ny microbes avy ao
 
•toy izany koa, fongorina ny aretin-tenda miverimberina, esorina ny kambon-tenda, ...
 
•mahavatra misotro rano tsotra 1,5 litatra isan'andro (1 andro = 24h). Mba tsy hahatonga azy ho an-terivozona dia iray vera isaky ny adiny 4 na alohan'ny pipi, na tsy mangetaheta aza. Ampitomboina izany raha mafana be na tsemboka be na miasa vatana mafy.
 
•tsy mahatsara ny rano mineraly be loatra, ny rano misy colorant
 
•betsaka ny "fanafody" manapoizina ny reins (néphrotoxiques), anisan'izany ny tambavy sasany. Rehefa mihinana fanafody dia tokony hiezaka hisotro rano betsaka.
 
•tsy tsara ny miaritra pipi fa vider-na foana ny tatavia
 
•diovina tsara ny tena mba tsy ho voan'ny infection urinaire. Misasa amin'ny rano no tsara kokoa noho ny mampiasa taratasy rehefa avy any amin'ny WC, na inona na inona natao tany, indrindra fa ny vehivavy ka avy any aloha mankany aoriana no atao mba tsy hanamorana fidiran'ny loto any amin'ny taovam-pamaniana. Betsaka ny olona no mihevitra fa tsy mila mifitra na misasa raha pipi (fotsiny) no natao. Diso izany. Sady mampasiso izany no mamparary.
 
•tokony hosoloina matetika ny protège-slip fa tsy entina mandra-pahariva ny andro
 
•alamina tsara ny tosi-dra sy ny diabeta raha misy
 
•manatona dokotera raha misy mampiahiahy toy ny hoe tsy dia mipipi tsara, mangirifiry rehefa mipipi, misy ra na nana ny pipi, mivontovonto ny tongotra, bongobongo ny maso raha vao mifoha, mavesabesatra ny lamosina, ...
 
Averiko ihany fa tsy haninkanim-poana ny volon-katsaka sy ny fakan-tsilo sy ny vinaigre de cidre sy ny noni ary tsy ataotao foana ny hotra.
 
Néphrologie no spécialité misahana ny voa.
 
Mirary soa tompoko.
 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: maladie rénale, aretin'ny voa | Comments (0) |  Facebook | | | |