Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 06 May 2017

MIESONA

Berceuse, illusionnisme, hypnotisme, anesthésie, immunisation, somnifère ...
"Miesona" izay tratrany!
 
Betsaka ny fomba amam-pitaovana fampiesonana, famerezan-dia, fampatoriana mitsangana, famonoan-kozatra, fanovà-maso, fampandriana adrisa, fandonana tapany handoavana erany, fandraikiraikena, sy ny sisa izay mitovitovy asa amin’izany.
 
Olona maro dia maro an-tapitrisa no tsy mahahetsika, tsy mahateny, manaiky lembenana, miraviravy tanana, tampi-maso, manoa, miandry ny rariny, manohy ny fiainan-keliny, sy ny sisa sy ny sisa mitovitovy hetsika amin’izany.
 
Toy ny hoe adala ireo iray na roa na vitsy miezaka manaitra sy manokatra ny mason-tsaina amam-batana hoe mba mahatsiarova tena.
 
Marina fa rehefa tena sasatra ny saina amam-batana dia mora rendremana, resin-tory ! Miesona e. Fa dia torovana daholo izany hatramin’izay tsy noeritreretina ho mafy ady.
 
Izao no izy.
-Ny zanaka an-trano dia manan-tsira ka mahay mahandro ary rariny raha hidera sy hanome voninahitra ny anaran-drainy. Ireo mihanta io ka mipetraka tsara ao an-trano. Faly tokoa izy ireo rehefa misy fampisehoana manaitaitra ataon’ny karazan-jaza hafa.
 
-Ny zaza nateraka somary sahisahy dia mivoaboaka eny ivelany, mihetraketraka manao izay mahafinaritra azy tsy amin’ahiahy satria ao i dada hiaro. Manonona teny iray ihany dia ho afaka ny hadisoany. Mitabataba izy ireny, mody manaratsy an’i dada mandavan-taona, fa tsy tohina kely akory ny singam-bolony. Fiaraha-miasa amin’i dada izany. Amin’izay variana ianareo zanak’ikalahafa satria efa vitan’itony ny anjara tolona tokony hataonareo. Asan’ny mpanao vaksiny izany.
 
-Ny zaza mba maniry hatsangana dia mody manao mampalahelo etsy sy eroa, mandrangaranga lamba maloto hitany tao an-trano. Atao tsy loa-body ny teny, mba hahazoana tampim-bava kely na be any amin’i dada. « Lazaiko eo an … »
 
-Ny zaza an-tsisin-tany hafa reny dia manatsatso anareo hoe tandremo mirotsaka eny an-tokotany eny fa tsy mahomby izany. Aleo ny zana-kavana efa tafiditra an-trano no hiasa hanajanona an’i dada amin’io toeran’ny loham-pianakaviana io. Asan’ny mpampijabaka izany. Asan’ny mpandrotsirotsy manao hoe matoritoria fa hanaterako hena.
 
-Ny zaza kamboty tena tsisy mpiahy nefa mba nihaodihaody teny ivelambelan’ny trano teny, naniry mba hanao pi-maso hiraisan-databatra dia mila misoavaly antokon’olona na antokon’asa mba hiaro azy amin’ny hadalana rehetra nataony tany rehetra tany rehefa mila ho tra-tehaka. Asan’ny mpanao fampisehoana handrebirebena ny sainareo ireny indraindray.
 
-Sy ny sisa sy ny sisa
 
Araka izany, miesona izay rehetra jambena ka malahelo ny tsy tokony halahelovana, miaro ny tsy tokony harovana, mitsetra ny tsy tokony hitserana. Marina fa misy ny improvisation, fa io sarimihetsika sy tantara tsangana rehetra io, dia efa nisy ketriketrika maro dia maro niainga tany am-badiky ny sehatra rehetra tany.
 
Aleo tsy mino maty raha tsy avy mandevina.
 
Aleo tsitsitsitsiana ny teny fa sarotra ny mamerina azy.

21:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: miesona, misolelaka, mamovo | Comments (0) |  Facebook | | | |