Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 26 April 2017

MADAGASIKARA RAKOTRA HARENA

Tsy rehefa hoe "tsy marina" dia lainga. Mety hoe "tsy mitombina" fotsiny.
 
Fatra andrefesana "harena" sy "hasarobidy" ny volamena. Anaovana ny tsy fanao ny fitadiavana azy. Anoharana an'izao lanitra izao ihany koa hoe "handia lalana volamena". Atao anaran-jaza mihitsy indraindray!
 
Dia "marina" tokoa fa manan-karena i Madagasikara. Tsy ny Malagasy (olona) fa ilay nosy (tany) onenany. Saingy ilay haren'ny tany tsy mamelona ny olony. Ny olona miasa mantsy no mamokatra harena mety hamelona azy sy hanatsara ny fiainany. Tsy ampy tsinona ny hoe "velona" fa ilàna kalitao koa izy io.
 
Fa ny olona dia harena tsy mahavelona ny tenany. Hataon'ny vongam-bolamena ahoana moa no ho famokatra, na inona io na inona.
 
Hoy mantsy ilay prezidà nitaky porofo raha tena mahantra tokoa ny Malagasy. Hoy izy tamin'ny feon'olona vontom-pinoana manambara Vaovao Mahafaly : "Izay mangina volamena".
 
Endrey ireto vongam-bolamena miisa 25 tapitrisa eo ho eo.

14:45 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: izay mangina volamena | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next