Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 21 April 2017

SORATSORATRA

Izay mameno ny fo nefa tsy voalazan'ny vava dia ambaran'ny soratra.
 
Tsy voatery ho nataon'ny tanan'ny tena na nokaomandian'ny tena fa amidy eny an-tsena. Misy fihetseham-po amidy eny an-tsena ry havako! Misy mifanandrify sy mifanitsy amin'izay tora-po rehetra. Misy ahazoana aingam-panahy vaovao ihany koa. Samy manana ny fitoerany izy ireny :
 
-lovia bakoly kely
-autocollant
-tableau ahantona amin'ny rindrina
-sary hosodoko
-page facebook sns
-pare-boue amin'ny fiara be
-pare-brise
-vody posy
-vatana sarety
Etsetra etsetra.
 
Ny votoatiny dia ao ny fankaherezan-tena, ao ny fantsy alefa aminao mamaky, ao ny fintana atao jono, ao ny lonilony tsy levona, ao ny nofinofy tiana ho tanteraka, ao ny hafatra madinidinika asisika an-tsokosoko any an-tsainao (message subliminal), ao ny fampihomehezana mba tiana hatao, ao ny sombintsombin-dahatsoratra tamin'ny boky, sy ny maro tsy ho voatanisa ...
 
-Herim-po fa tsy lova
-Mba manaova raha mahay
-Ity tanana e
-Mody tsy tia nefa manara-maso
-Ianao aza tsy manana
-Iny lalana iny
-Arovy aho Tompo
-Sambatra izay mifanampy
-Halan'ôlo fa tian-janahary
-Ny mpanenjika any aoriana
-...
 
Ity no hitako vao haingana : "Mandrosoa ry mpialona fa ny tompon-trano tsy sarotiny".
 
Izay e.
Soava dia. Tsy minday pasazy!

15:06 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tag | Comments (0) |  Facebook | | | |