Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 19 January 2019

AND I SWEAR

Sabotsy 19 janoary 2019 no hapetraka amin’ny « toerany » maha-Mpitondra ny Repoblika azy Andriamatoa Andry Nirina RAJOELINA. Voalaza fa tsy hisy fotoam-pivavahana, ary tsy hisy fianianana amin’ny baiboly kristiana. METY IZANY, hoy aho, IZANY MIHITSY NO TOKONY HO IZY. Dia vava be no azoko. Dia tsy raharahako ihany koa satria tsy afaka hifanazava sy hifandrefy amin’izany aho fa tsy mitovy ny vata famarana, samy hafa ny rano nandroana !

 

Tsy tadidiko hoe oviana no nipoitra ilay fitenenana hoe « Laïcité de l’Etat ». Tsy tadidiko na niara-dalana tamin’izany ny firoborobon’ny sampana anankiray tany anaty Fiangonana, atao hoe Vondrona Fototra Laika. Nisahana « fandraharahana » kokoa no fahitako azy io.

 

« Namako » ato amin’ny Facebook :

-pasiteranay (FJKM)

-momperanay (EKAR)

-pastora loterana telo

-teolojiana loterana iray

-mpiandraikitra Société civile lehibe iray

-filohan’antoko politika gasy lehibe iray

-mpikambana amin’ny antoko politika frantsay lehibe iray

 

Miala tsiny aho fa tsy mahay, dia nijery raki-bolan’ny « tompon-teny », satria tsy tenin-gasy angamba izany « laïcité » izany. Ary matoa tsy ananana voambolana, dia tsy ao anaty kolontsaina.

 

Hoy ny voasoratra : « La laïcité est un principe constitutionnel qui distingue et sépare le pouvoir politique des organisations religieuses. La loi de la République, neutre, garantit la liberté de culte (tant que les manifestations religieuses respectent l’ordre public), proclame la liberté de conscience et ne place aucune croyance au-dessus des autres (religion, athéisme, agnosticisme…). Ce principe, qui contribue de fait aussi à l’égalité républicaine, est résumé par la disposition : « La République ne reconnaît, ne salarie ni ne subventionne aucun culte ».

 

Teo amin’ny fiainako, dia « fanekena » (promesse/engagement) telo no nataoko, teo amin’ny sehatry ny Fiangonana. « Fianianana » (serment) iray no nataoko, teo amin’ny sehatry ny asa. Tsy tamin’ny tenin-drazako izy io, ary nisy novaiko araka izay hitsin’ny saiko, fa tsy nisy nahamarika ! Efa ela be izany, tsy mbola nisy ankolafy RAJOELINA sy RAVALOMANANA mifandritaka toy izao ! Tany amin’ny Sekoly Alahady no nahafantarako ny andalan-tSoratra Masina hoe « mihoatra noho ny zavatra rehetra, aza mianiana, na amin’ny lanitra na amin’ny tany na amin’izay fianianana hafa akory aza, fa aoka ny fanaikinareo ho Eny, ary ny fandànareo ho Tsia, sao hiharan’ny famaizana ianareo » (Jakoba 5 :12) (Matio 5 :34-37). Tsy ilay hoe aza mianian-tsy to (Matio 5 :33 sy Lev.19 :12), fa AZA MIANIANA MIHITSY. Tsy mahay aho hoy aho, ka ifonako ny hevi-disoko, toy ny mbola mahavariana ahy foana hoe atao inona eo an-dohan’ny faty andrasana moa nybaiboly…

 

Tsy hasiana fotoam-pivavahana (kristiana, matetika protestanta) ny lanonam-pianianan’ny Mpitondra vaovaon’ny Repoblika. Fanehoan-kevitra re izao ! Koa satria moa mifangaro voraka ao an-tsaina daholo izao rehetra izao, arakaraka ny « olona tiana » sy ny « olona tsy tiana », dia indraindray repoblikana be, indraindray laïka be, matetika kristiana BE tena tia an’i Kristy tsy hitan’ny maso, ary na ny dikan’ny hoe Fitiavana aza, dia ifandriatana …

Mafy mihitsy ny mahazo an’ingahy Jean-Eric RAKOTOARISOA, Mpitsara Avo momba ny Lalàm-panorenana, izay nahatsiaro tampoka teo hoe Laïka ny Repoblika.

10:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: laïcité, république de madagascar, investiture, 19 janvier 2019, andry rajoelina | Comments (0) |  Facebook | | | |