Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 26 January 2019

ANDRAMASINA

Ny Andriana fahiny tany Andramasina dia tsy mba nanao hadivory. Ho fiarovany ny Vohitra, dia nohatsahany ny sisin-tanàna mba ho hantsana kokoa sarotra hanihana. Izany no tantaran’ny hadim-bazimba manaraka ny moron’ny Sisaony, avy any atsimo sy andrefan’ny toerana nonenana. Ny Vohitr’Andriana tranainy dia teo akaikin’ny rian-drano lehibe mahafinaritra, teo « an-driana ». Izay, hono, no niavian’ny teny hoe Andriana … Nampiasaina nanaovana ny « fombafomba » aorian’ny Tsimanatimindrana (fahafatesana) ny riana : tsy milevina miaraka amin’ny tsinainy ny Andriana, ka alefa any amin’ny rian-drano izany rehefa miamboho. Ny fanadihadiana tsotsotra dia azo anatsoahana fa tanàna tranainy indrindra taty an-kibon’ny tany Andramasina, satria tsy lavitra eo : Ambohimanana, mitatao amin’#Ankorona. Ny famaritana ny fotoana tamin’ny Carbone 14 dia nahitana fa tany amin’ny Taonjato IX-X taorian’i Jesosy Kristy dia efa nisy mponina nampiasa afo, niompy omby sy nihinana ny henany tao Ambohimanana Andramasina. Efa namolaka ny vy nannefena fitaovana samihafa ihany koa ry zareo. Izany hoe TSY ANDRIAMANELO no nahita sy namolaka voalohany ny VY. TSY RALAMBO no nahafantarana voalohany ny OMBY. Taonjato fito taloha izany dia efa nisy tao Andramasina. Tamin’ny Taonjato XV-XVI dia efa nahitana potika vazy bakoly maitso (céladon) vita sinoa ihany koa tany.

 

Vohitr’Andriana tranainy nahatahiry ny alany Andramasina. Alan-dapa izany, tsy azo zaraina. Toy izany koa ny tanety sy tanimbary, atao hoe Tanin-dapa. Fahiny, rehefa resy an’ady ny Mpanjaka, dia aripaky ny mpandresy atao kitay ny alany. Nikojakoja fatratra ny ala sy nanavao azy ny Andriana, satria tahirim-panafodin’ny Fanjakana izany. Ny Taon-jomà, fotoam-pamoràna, no mandeha manao fambolen-kazo ny Andriana sy ny mpanara-dia azy.

 

Ralaniboahangy, zanak’ANDRIANONINDANITRAMANTANY avy any Ambohimanjaka, faritr’i Onive, dia nanaraka ny vadiny, ANDRIAMASINAVALONA, nifindra monina tany Andramasina. Noho ny alahelony ny tany niaviany, dia nangataka tamin’ny vadiny izy mba hanangana Ambohimanjaka vaovao teo ambony avaratr’Andramasina.

 

Tsy niteraka Ralaniboahangy, ka araka ny Fomba, « ny Andriana tsy maty momba », dia nanangana ny zana-drahavaviny, vadin’ny Mpanjakan’#Antongona izy : #ANDRIANTSOLO izay napetraka tao Andramasina sy Ambohimanjaka-Vaovao sy ny anabaviny RATSIAVANGA izay napetraka tao Anosibe.

 

ANDRIANTSOLO, Mpanjakan’Andramasina, nataon’Andrianampoinimerina Zazamarolahy.

 

Andriantsolo no nanokatra ny sekoly voalohany tany amin’ny faritr’Andramasina. Niamboho tamin’ny taona 1837 izy. Araka ny Fomba, dia tsy milevina miaraka amin’ny tsinainy izy, natao ny fikarakarana, ary nafenina ao amin’ny fasana naorina eo an-tampon’Andramasina.

 

RAMANJAKA, zanaka mpandova an’Andriantsolo , dia nanambady an-dRanoro, vady navelan-dRamananolona, havan-dRadama I. Araka ny didin-dRanavalona I, dia nasainy namabo an’i Fort-Dauphin, izay nolazaina fa lovam-panjakana, Ramanjaka.

 

Mba hameriverezany dia an-dRanavalona I, dia nanomezany azy ny tany teny ambonin’i Vohitrarivo akaikin’Ambohimanjaka-Onive, ilay rian-drano be Andriamamovoka sy ny tany manodidina. Teo no nanangana Rovan’i Tsinjoarivo (Andrangalisa, fahiny) Ranavalona I. Ny sampan’ny Onive iray nomeny ny zana-kavany Ramahatrarivo (Anosindramahatra), ny sampany iray nomeny an-dRamonja (Anosindramonja).

 

Tsara fihavanana tamin’ny Nanjaka rehetra ny Vohitr’Andramasina, tamin’ny alalan’ny fanambadiana indrindra indrindra. Mailo ihany anefa ry zareo. Rehefa « hilalao » any Tsinjoarivo Ranavalona I, dia mandalo eo Andramasina. Fa tsy navelan’ny ombiasa nandalo teny an-tampon’Andramasina, sao mangata-javatra indray ka sarotra lavina.

 

Indray andro, nahazo amalona tena lehibe teny amin’ny fefin’amalony teny Vohitrarivo Ramanjaka, ka nampanateriny ho an-dRanavalona I. Rehefa nikarakara an’ilay amalona ny mpahandro, dia nahita lohan-tsaka tao anatin’ilay amalona. Tezitra ny Mpanjaka satria noheveriny ho namosavy azy Ramanjaka, ka nanirahany Tsiarondahy hamono azy. Rehefa avy eo, dia nisy niteny hoe mety saka nohanin’ilay amalona io. Naniraka Tsiarondahy hafa indray Ranavalona, hanafoana ny didy fampamonoana an-dRamanjaka. Diso aoriana loatra fa efa maty izy. Ho onitr’izay, dia nampikarakara fanafenana makotrokotroka Ranavalona I. Nanorenana fasana teo anilan’Andriantsolo rainy i Ramanjaka, satria ny fasan’ny Mpanjaka dia tsy mivoha intsony. Rehefa hiamboho manko ny vadin-dRamanjaka, dia hafenina miaraka aminy. Izay no mahatonga ny fasan’Andriantsolo ho misy « fasana » roa ao anatiny.

 

Hatramin’ny nahatongavan’ny mpanjana-tany, dia nisy tranomanara roa teo ambony fasan’Andriantsolo. Rasoamanjaka, zanaka vavin-dRamanjaka no nandimby, izay nodimbiasan-dRafondriaka, zanak’io lahy. Noravan’ny frantsay izany rehetra izany.

 

Araka ny tantara, dia mbola nifidy Mpanjaka hafa ny Menalamba, tao aoriana …

 

Ny amin’ny hoe #Androrosy kosa dia tsy haiko. Fanarabiana ? Tena tsy fantatro fa vao hotadiavina.

ANDRAMASINA.JPG

15:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: andramasina, ankorona, andriantsolo | Comments (0) |  Facebook | | | |