Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 20 December 2019

KITRO SA TRANON-KALA

Efa be loatra izay zavatra noresahina sy notsikeraina sy nofakafakaina izay. Efa haniry kitro ny lela niteny sy ny tanana nanoratra. Na ny milina nampiasaina aza, efa mila hahafantatra mialoha an’izay tiana hatao. Dia tsy hiverenana intsony ireny, fa aleo izay mitady haniry tranon-kala indray no mba hotsikorofohana.

Tsikorofohana toy ny fanao eny amin’ny toerana rehetra misy « fako ». Sasatra foana izahay manavaka ny karazana fako hariana eny amin’ny fanariam-pako iombonana. Satria izahay dia manana lava-pako fanaovanay zezika ilainay amin’ny fambolena. Ka ireo izay tsy maintsy ariana ivelan’ny tanàna, dia avahana ary afatotra anaty fitoerany atao hoe « sac poubelle ». Mbola ialam-bola ireny fa tsy hoe midina avy any an-danitra. Tokantrano maromaro izahay eo amin’ny faritra onenanay no manana fahazarana toy izany.

Ny tsy ahatongavan’ny fako eny amin’ny toerana fanariana azy anefa no ela, fa indreo andian’olona, miandahy, miambavy, miaraka amin’ny ankizy sy ny zaza, tonga miaraka amin’ny farango kely, mandrava tsy misy antra an’ireo fako efa mifatotra. Tsy takatry ny sain’ny tena ny zavatra mbola fantenany ao ! Izaho manokana, dia manapotika tanteraka an’izay zavatra ariako, mba tena tsy hisy ilàna azy intsony, indrindra fa ireo mety mbola hasian’olona sakafo : tavoahangy, fitoerana yaourt, barquettes isan-karazany. Fa voaboraka manontolo ireo fako rehetra tsy ankanavaka. Mbola hisy handray ny tsy fandray fa aleo hanao, fa angaha moa izy miraharaha an’izany ? Ny « sisan-tsalakan-jareo vazaha » aza, mbola misy mitsimpona dia manakobana !!! Fa mankaiza isika ity e.

Tsy mampaninona ahy na lazaina fa notezaina ho feno « avonavona » aza aho, na "miavon-tsy feno" aza aho, dia tena ankasitrahako ny fianakaviako ny avonavonay mianakavy. Manampy anay «hiakatra» izany ary fadin-drazanay ange ny manao akanjo mitampina e. Nihomehezanay ankizy sy tanora izany taloha, fa tsapa ankehitriny ny lanjany teo amin’ny soatoavim-pianakavianay.

Dia nahazo fitoeram-pako vaovao (fitaovana vaovao hanaovana barazy rehefa misy rotaka) sy fiara vaventy fisahanana ny fako ny Tanànan’Antananarivo, misy soratra hoe TSY MAINTSY madio.

bacs à ordures.JPG

Ka izao ange e : ankoatra ny antony maro iaraha-mahalala mahatonga ny fakon’Iarivo hiavosa mandavan-taona, dia ity koa anankiray : tena ela dia ela ny fandraofana ny fako.

Satria ireo olona misahana an’izany mihitsy, fa tsy ny quatr’amis efa matianina, no manilikilika sy manavakavaka ny fako. Mbola samy mifantina, izay vao manipy ho ao anaty benne ! Fotoana very izany, tsy ho an’ny fako ihany, fa ho an’ny mpifamoivoy eny an-dalambe ihany koa satria dia mibahana tanteraka ireo fiara vaventy …

Ka mba jerijereo sy hadihadio ny erikerika rehetra mahatondra-drano fa aza sodoka ao ambany elo ben’ny kabary tsara lahatra!

10:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: antananarivo madio, fakon'antananarivo | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.