Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 10 July 2018

REFONDATION

Raha izaho no tsy maintsy haka tahaka sy handramby an’izay ataon’ireto manodidina ireto, ka hoe mba hirotsaka hofidina, dia hanaraka ny rian-drano hiteny hoe « Refondation ». Io no malaza, lamaody. Mankadilo sofina, mankaleo, mampanontany tena hoe inona no dikan’izany teny izany. Vorona azon’adala ilay izy. Dia nojereko tamin’ny rakibolan’ny tompon’ny teny. Mba ijerena zavatra hafa ihany koa manko ny internet fa tsy Facebook ihany, izay vorona azon’adala koa.

Refondation : « Réforme en profondeur d’un parti politique », « Reconstruire sur des bases, des valeurs nouvelles, notamment dans le domaine politique ».

Hay Teny miparitaka eran'ny Net ilay izy fa noheveriko ho noforonina teto Madagasikara. Misy saro-piaro be manko hoe "anay" io!!!

Politika hoy izy. Raha tsy mbola mazava izany, dia tsy hitako intsony. Raha mbola sady hampianarina politika no hampianarina teny frantsay, dia aoka tsy hirotsaka hofidina fa mahabe raharaha. Satria tsy maintsy mitady voambolana sy hevitra vahiny hatao teny faneva, nefa tsy fantatra akory ny dikany fa zary hirahiram-boloky. Dia navadibadika nogasigasiana kely. Mifanaraha ianareo hoe Fanarenana ifotony sa Fanorenana ifotony. Tsy mitovy koa izany. Samy hafa ny Manarina sy ny Manorina. Ka hiainga amin’ny fotony inona sy fototry ny inona izato ianareo ? Hanongotra sa hitaingina ?

Raha hoe manangana fanindroany no tianareo holazaina : re-fonder, efa nanangana voalohany angaha ? Dia inona ?

Ataovy mazava amiko :

Inona aloha ilay haorina na harenina : olona sa rafitra. Ny inona amin’ny olona : saina, vatana, fanahy. Hiditra amin’ny soatoavin’ny tsirairay izany ? Mbola hampiana conflits de valeurs indray ve ireto olana marobe efa TSY HAY ny mamaha azy satria TSY FANTATRA akory hoe aiza ho aiza izany fototry ny olana izany ??? Inona koa izany « conflits de valeurs » ?? Eeee, dia efa tsy hitako intsony izay hambara raha ny fahalalana ifotony no banga be toy izany. Marina e.

Inona no iaingana hamaritana ny fototra (référence sy repère) ? Miohatra amin’ny inona dia miohatra amin’iza ? Raha misy hazo maniry anankiray, ny fototra iarahana manaiky ve, ilay ambany indrindra tsy milevina, ilay tondrahana, sa ilay faka be any anaty tany, ilàna angady hilazana hoe efa niongotra hatramin’ny fotony !

Dia hakifika mihitsy ve moa ny taloha, sa mbola hitsimpontsimponana ihany hifamenofeno amin’izay vaovao ? Betsaka manko ny tia recyclage, angovo azo havaozina e ! Izany no théorie. Fa raha olona moa no hanaovana « fanarenana » sy « fanorenana » ka hoe « hateraka indray » ; hevitra extrémiste ve ny ahy raha hiteny aho hoe hovonoina izany ny olona, hanao génocide ve sa hanao clonage hanamboarana karazana vaovao ? Mety ihany ange izany ny hevitr’i Adolf HITLER. Ny tanana zatra nitsotra niankavia manko, sarotra atsotra miankavanana ihany. Ary ity izy, tanana an-tapitrisa. Soa ihany fa efa zatra manao sy ampanaovina Zumba, izay vorona azon’adala koa.

Dia mason-tsivan’iza no hoekena fa TSARA sy METY.

Sao mba ny lalàna no tokony horavàna indray mandeha ? Dia iverenana soratana, atao mazava tsy azo iadian-kevitra, tsy azo iadiam-barotra ?

Ohatra : NY HALATRA

-Ny atao hoe halatra dia ny fakàna, hampiasaina na tsia, an’izay tsy an’ny tena.

-Ny atao hoe tompony dia manana fanamarinana misoratra amin’ny anarany.

-Rehefa voaporofo ny halatra dia mihatra ny sazy. Ohatra : vonoina.

-Rehafa voaporofo  ny halatra dia tsy misy fifonana azo atao.

-Ny atao hoe vonoina dia atao maty mihitsy fa tsy torana fotsiny.

-Mitovy avokoa ny vesatra, na halatra goavy na halatra fiaramanidina.

 

Raha tsy atao toy izay tsirairay angamba ny zava-drehetra, ampitoviana eran’ny Nosy, tsy hilamina ity tany ity. Rehefa milamina manko izy ity, mba handroso kokoa ny tera-taniny hifantoka amin’ny famokarana. Tsy ilaina ny mpampihavana satria tsy hisy hiady sy hifampanana kakay fa ho foana ny tsy rariny, rehefa mazava ny lalana sy ny lalàna …

 

Ataovy mazava amiko.

Raha ny hevitro :

1-Ny olona no olana

2-Ny lalàna sy fampiharana azy no olana

3-Ampitoviana ny fomba fiasa isan’ambaratonga

4-Ministera telo ihany no ilaina

5-Foanana ny antenimiera

6-Foanana ny fizarazaràna micro mivantana amin’ny haino aman-jery

Mahazo maka sopapa kely eto daholo, sitrany ahay mba afaka amin’ny club des « zéro virgule » !!

 

Ririnina tokoa ny andro ! Izany no nofy ririnina sy rediredin’ny tsy tompon-delo.

12:00 Posted by Rondro H REGNIER | Tags: madagascar, refondation, rondro h rakotobe | Comments (0) |  Facebook | |

Post a comment