Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 08 July 2018

DESORDRE DE MES RITES

Na inona na inona, tsy misy haja sy very hasina rehefa zarazaraina etsy sy eroa toy ny tapa-mofo fara fidy.
 
Ny lalànan'ny tolotra sy ny tinady dia milaza hoe rehefa mitobaka ny entana dia mora ny vidiny, atao varo-boba na omem-potsiny.
 
Misy karazan'olona tsy tia an'ireny zavatra atao vaky balle, tsy lanin-tsambo, dila fe-potoana ireny.
 
Misy sokajin'olona sarotiny amin'ny hoe modèle unique, originalité, style personnalisé, mandà hala-tahaka, tsy tia maka maro, miala firohotana amin'ny rebik'ondry.
 
Misy andian'olona, entim-paharesen-dahatra, entanim-pitsipi-piainana hoe miady tsy mataho-dratra, manome tsy mitavandra valiny, tsy mitodika miandry fisaorana ...
 
Taona maro lasa, tsy mbola amidy amoron-dalana toy izao ny akanjo mihajan-dehilahy atao hoe complet. An'aliny ny vidin'ny iray metatra amin'ny ravin-damba hoe Dormeuil, ana-hetsiny ny karaman-jaitra, an'aliny ny saram-panadiovana azy ...
 
Taona maro lasa, teo Ambohijatovo teo, nirehitra ity taxi 4L iray. Nisahotaka ny olona. Samy nanao izay ho afany hanampy ity mpamily tsy nahita hosarangotina. Nijanona teo afovoan-dalana ity fiara tsara tarehy iray, nivoaka ilay rangahy mpamily mihaja be, naroson'ny vadiny ny fiara, noesorin-drangahy ny palitao teny an-kodiny namonoany an'ilay afo nijoalajoala. Dia lasa izy namonjy ny fiarany, dia lasa tsikelikely ny olona teo. Ingahy mpamily taxi sisa niherikerika irery nandray an'ilay palitao simba tanteraka.
 
Tany am-pon'ny tsirairay ny fahafaham-po nifanome tanana. Tsy nivoaka an-gazety akory. Firy tamin'izay nahita no nahatsikaritra an'ilay mpamono afo tsy fantatra anarana nanao sorona ny palitaony ?
 
Izaho mahatsiaro ato am-poko, midera ny herimpo anampiana ny hafa tsy an-kiteniteny sy tsy an-kitoditodika ...
 
Ny hatsaram-panahy dia tsy tokony ho zava-mahagaga sy tsy fahita firy raha tena olombelona.
 
Hoy aho.

06:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: ordre de mérite, acte de bravoure, acte citoyen | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.