Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 25 April 2018

NY LITERA "T"

Sabotsy 21 avril 2018. Mitombo hatrany ireo daty hotadidiana ka dia hanoratra kely aloha ho fahatsiarovana.
 
Nivadika tsy hitahita ho fanaisorana mpitondra fanjakana ilay hoe tatitra hataon’ny solombavambahoaka. Idiran-doza koa ity Ingahy fa voahosotra ra moramora foana teo ny tanany, ny andro voalohany ihany nirotsahan’ny olona an-dalambe. Poa toa izay ny firongatr’ireo mpikopakopaka afo, nipoipoitra tsikelikely avy any an-davaka nisitrihany tany rehefa avy nitsapatsapa kely ny halalin’ny rano.
 
Ny otrik’afo anankiray kosa, maty ho azy tsy nidonaka, tsy mba nisy mpitsoka tsinona. Nangina fa nandroso kitay tsy nirehitra. Karazan-kira izany voaforona vetivety teo izany. Hiran’ny … Tolona. Politika … avo lenta.
 
Dia indro i Vazaha. Zazalahy kely 7 taona eo ho eo angamba, hono. Tsy fantatro izay tena anarany, fa toy ny zana-bazaha ity endriny, fotsy fihodirana, miolanolam-bolo, mangamanga maso. Mifangaro eny an-tavany ny hatsembohana, ny ivy ary ny lelo. Miampy ranomaso ireo rehefa voakapoka izy. Satria dia milako tokoa Radédé rainy. Miasa avokoa ny vava sy ny tanana fa tsy mahomby ilay tsorakazo natoron’ny manam-pahendrena. Lalovako isa-maraina izy mianakavy kely, olona dimy, mikapoka vato, manenjika gamanta maromaro isan’andro. Eo anilany eo, afon-kitay itokonan’ny sakafony, antoandro sy hariva. Eo anilany eo, renin-tsaka mifatotra sy akoho amam-borona vitsivitsy anaty garaba. Noheveriko fa amidy ireo biby ireo. Hay entina manaraka, hono, satria tsy laitra ny hala-botry any an-tanàna, sahabo ho lalana indray mahamasa-bary avy eo. Mandavan-taona ry zareo no eo, miaritra hainandro sy oram-batravatra, hatsiaka sy fanala.
 
Zary famantaranandron-dry Vazaha mianakavy ny fandalovako. Mikorontana mihitsy hoe ny asany sy ny fiainany rehefa miova ora sy andro aho.
 
Telo andro izao, i Vazaha sy ny zandriny irery sisa no tazako miokotrokotra mikapokapoka vatokely.
Tsy aritro ka nanontany aho hoe nankaiza ireo ray aman-dreniny. Tsotra dia tsotra ny valiny, feno finoana sy fanantenana : « Lasa niakatsa idadanay fa misy tolona, hono, any Taninarivo dia lasa any izy mianjy tataka ».
 
Politika koa izay, nivoaka tamin’ny vavan’ny zaza madinika …
 
Ka izao, na hanao tolona in-telopolo isam-bolana aza ianao Ra-Malagasy, dia miaraka entin’ny onja eny e! Dia miara-manontsana e!
 
T comme Tatitra, Tolona, Tataka, Tohatra, Treize-mai, Tohizo …

16:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: tolona, 21 avril 2018, 73 députés, rajaonah andrianjaka | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.