Wednesday, 02 May 2018
EZAKA TSY MISY MENAKA
Tamin’ny alahady 29 avril 2018 no feno 87 taona ny radio madagasikara, ilay lazaina hoe radiom-panjakana. Toy ny vao omaly ilay feo nifampisangiana hoe RNM valopolo taona ! Rehefa nataoko ny fandinihana rehetra, dia mbola ekeko fa hafa ihany ny RNM. Tena hafa mihitsy. Ary tsy nandiso an’izany ny « fahendrena » niatrehan’ny tale Johary Ravoajanahary an’ireo solombavambahoaka hoe mitaky fanovàna, ny omalin’io andro io …
Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia zavatra tsy maintsy ataoko isan’alahady ny mihaino ny RNM (radio nasionaly malagasy) rehefa alahady maraina amin’ny 6 hatramin’ny 9 ora sy sasany. Tao anatin’ny vaovaom-piangonana iraisam-pinoan’ny kristiana àry no nandrenesako filazana mifanitsy tsara amin’ny eritreritro. Hanavao ny trano fiangonany ny mpino loterana any Itaosy any. Ny anaran’ny hetsika dia hoe « ezaka tsy misy menaka ».
Izany hoe « omeo izay homena fa tsy voatery hividy sy hivarotra tapakilan-tsakafo ».
Marina izany. Raha izaho avy aty amin’ny farany atsinanana ve no hiainga handany andro sy handany hery sy handany vola handeha hamonjy « sakafom-piraisana », « opération tilikambo », « rindran-kira fanangonam-bola » any amin’ny farany andrefana … Tsy aleo ve atambatro daholo izany fandaniana rehetra izany, homeko bolongana ho an’izay mila azy ? Tsy maintsy hatavezina ihany koa ve ny mpahandro, ny « espaces », ny mpikarakara lanonana, ny mpanonta tapakila sy peta-drindrina, ny mpampandihy, ny mpandoka varotra … Tsy maintsy vizanina ve ny mpikambana hanao izay tratry ny ainy handafo ny anjara tapakila terena hamidiny ?
Ataovy matanjaka ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra, dia izay tery am-panahy no manome avy hatrany araka izay lazaina azy hoe mba ohatrinona fara fahakeliny.
…
Mahatsiaro manokana an’ireo voatery miantso fanampiana noho ny voina mihatra aman’aina …
18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: opérations fundraising | Comments (0) | Facebook | | |
The comments are closed.