Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 15 April 2018

VOAN'NY NATAOKO AHO

Izaho dia mpitady "sitrany" loatra amin'ny fividianan-javatra, toy ny ankamaroan'ny olona ihany angamba, saingy tandremako kosa mba tsy hividy eny amin'izay toerana efa mampiahiahy. Raha hividy fanafody aho dia eny amin'ny farmasia ihany. Tsy eny amoron-dalana mandritra ny fitohanan'ny fifamoivoizana mihitsy aho no hividy zavatra mitentina an'aliny na ana-hetsiny. Efa hadalana raha izany.

Saingy na mitandrina aza, voa ihany. Tsy kely lalana ny olona. Toa ahy be tetikady ihany koa no mba mampiketrika ny sain'ny hafa. Ary rehefa nahazo lesona tamin'ny zavatra iray, dia voa amin'ny zavatra hafa indray. Fianarana ny fiainana e ...

Tadidiko ihany ilay izaho nihevitra fa nividy "blouson" vaovao sy tena izy tao amin'ny mpivarotra "avo lenta" iray! Nony nisaka paosy aho dia naharay tapakila nandehanana "bus" sy fonona vatomamy efa rotika satria efa niara-nosasana tamin'ilay akanjo.

Mbola ato an-tsaiko ilay havanay nividy ranom-boafotsy noheverina ho ranomanitra sarobidy. Teny an-dalam-be tsinona kah.

Tsaroako koa ilay nino fotsiny ihany teo am-pahitana dokam-barotra nilaza fa azo antoka 100% ny hatsaran'ny kalitaon'ny "recharge" ranomainty fampiasa amin'ny "imprimante". Tena toy ny tsy kitoatoa ilay orinasa manana masoivoho maro manao an'ilay izy. Tsy mba hoe ratsy fotsiny, afaka mihafy aho na miala vola aza satria adala, fa tena tsy nandeha mihitsy.

Fay tamin'iny dia tapa-kevitra hividy vaovao. Saingy indrisy fa navotana an'alinalina ilay hosoka be : zavatra efa niasa koa ilay izy no naverina ho toy ny vaovao.

Ka tsy haiko intsony ny manavaka ny izy sy ny tsy izy, fa izao no ezaka ataoko : rehefa natao hoe "à jeter" ny zavatra iray, dia ariana tanteraka, potehina. Indrindra moa fa atao fady ilay mikafiry hoe hamidy havadika "chiffre", satria ny tena ihany no hofitahin'ny sasany amin'iny. Voakasik'izany ny boaty, tavoara sy tavoahangin-javatra rehetra (ranomanitra, déodorant, cirage, pizza, ...), ireny "cartouche" nisy ranomainty ireny, ...

Ataoko montsana tsy azo avotana intsony ireny vao ariako.

Ary ireny ranom-boankazo atao hoe "naturel" ireny? Avy aiza ny tavoahangy plastika asiana azy? Ireo diovina amin'ny ranon-tsavony marihitra tsara eny amin'ny lakan-drano ve? Raha efa teny amin'ny hopitaly ianareo, dia misy fomba iray fanangonana sy famarana isan'andro ny fivalanan-dranon'ny marary.

Dia ahoana izany?

 

Bozy Boleta, in #JINJANY_KELY, Midi Madagasikara

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: à jeter | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.