Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 14 February 2017

FA MANINONA ...

Misy fanontaniana tsy hisy valiny mihitsy. Dia misy trangan-javatra tsy ho voazava mihitsy. Ary misy fihetseham-po tsy hotantaraina mihitsy.

Andro talata. Antenantenam-bolana janoary. Migaingaina ny hafanana. Lavidavitry ny tanàn-dehibe, indro fiarakaretsaka iray mihantsona eo amoron-dalana. Nohofaina raha ny fijery azy.

Nivoaka avy tao ny lehilahy iray, tsy tanora loatra nefa tsy antitra koa. Tsotra fitafy. Nitondra voninkazo glaïeul mavo, tokana, nanitsy nivantana teo amin'ireo tangorom-pasana eo amin'ilay toeram-pandevenan'ny Commune. Niakatra tamin'ny fasana lehibe iray izy, somary niondrika elaela teo, dia nametraka an'ilay voninkazo hiankina teo amin'ilay tanambokovoko.


Niverina nibaby tanana namonjy an'ilay fiarakaretsaka izy. Najanon'ilay mpamily ny fafa fitaratra nataony. Dia lasa nitodi-doha niverina ry zareo.


Nitodika nanara-maso aho dia nanohy ny diako koa.

Lasa ny saiko hoe hay tokoa moa misy tantara atao an-taratasy, misy tantara zaraina an-tranonkala.


Dia misy koa tantara soratana ao am-po. Tsy hisy hahalala. Tsy hay hoe fa maninona ...
glaieul jaune.jpg

00:05 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: bozy boleta | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 9 Next