Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 February 2017

MANDEHANA AN-TONGOTRA!

Rehefa tsy an'ny tena ny lelo dia hay ny manisina azy. Hay tsara ny manoro ny fampiasana ny rantsan-tanana ho amin'izany. Hay tsara ny manoro ny karazana mosoara mety. Hay tsara ny manoro hatramin'ny fomba famalona ny mosoara!


Ilay repoblika fahaefatra dia tompon'ny zava-bita miavaka indrindra amin'ny sondro-bidy sy tsy fisian'ny zavatra tena ilaina. Anisan'ireny ny solika na hoe lasantsy. Manaraka tsara ny fitsamboamboatr'ilay filoha : midina indray mandeha dia miakatra indroa! Mandroso indroa dia mihemotra indimy!


Dia hoy ny manam-pahaizana hoe mandehana an-tongotra fa mahatsara ny fahasalamana izany.


Eny tompoko. Tsy ho ahy no itenenako. Hatrizay nahatongavako teto an-tany dia tsy mbola nisy hoe fokontany iray ny fonenako sy ny sekoly, sy ny fiangonana, sy ny toeram-piasana, sy ny fasan-drazanay!


Ankehitriny, mbola izany ihany. Mandeha kilaometatra iray vao tonga eny amin'ny lalam-bahoaka. Kilaometatra roa avy eo vao mahita fiara mpitatitra. Kilaometatra dimy avy eo vao tonga any ampovoan-tanàna. Kilaometatra 15 vao tonga any amin'ny toeram-piasana ...


Izay no mandroso. Toy izay koa izany no miverina. Enina andro isan-kerinandro.


Eny tompoko. Hataoko an-tongotra izany araka ny torohevitrareo.


Izaho tsy mitaraina mikasika ny hazakazako isan'andro, fa maro no mitolona mafy lavitra noho izany.


Tena tsy sahy aho hiteny amin'izy ireny hoe mandehàna an-tongotra fa inona àry ity! Mividiana chaussures de marche!


Izany no tena ompa sy latsa TTC (toutes taxes comprises)!!!

14:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: bozy boleta | Comments (0) |  Facebook | | | |