Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 01 August 2015

NY OLONA MAHAY NY ASANY SY MENDRIKA NY TOERANY

1-Manira-tena fa tsy miandry baiko lalandava
 
2-Manana fomba fiasa, azy manokana, ary miasa amin’ny fony sy ny heriny rehetra
 
3-Manao be araka izay vitany. Te handroso hatrany ka tsy mianina amin’ny fanamoramoran-javatra sy ny asa madinidinika
 
4-Tapa-kevitra hanatratra izay tanjona hotratrarina ary tsy miverin-dalana amin’izany. Lazainy izay ataony ary ataony izay lazainy
 
5-Tsy manara-driandrano na manaiky lembenana. Mahay mankahery tena sy mandrisika ny manodidina azy. Voarindra sy voalamina tsara izay ataony ka tsy mba manahy ny ampitso izy
 
6-Mahita hatao foana izy satria miasa tsy an-kijanona ny sainy mba hamorona, hanavao, hamaha olana
 
7-Matoky tena izy ary mahazo antoka fa hahomby amin’izay ataony. Tsy matahotra hifanatrika amin’ny hafa izy ; tsy matahotra hilaozan’ny hafa ihany koa
 
8-Manararaotra ny fotoana rehetra sy ny zava-mitranga rehetra izy mba hakana fianarana. Liana amin’ny zava-baovao izy ary mitrandraka izay tahirin-kevitra rehetra sendra azy
 
9-Tia mifandray amin’olona sy mizara ny fahalalany izy. Manaja olona izy ary hajain’ny olona
 
10-Ny olona mahay ny asany sy mendrika ny toerany dia manana fomba fiseho, fiaina, fifandraisana AZY irery, izay miavaka amin’ny hatsara sy hakanto manokana.
 
Le Journal des Professionnels n°1 – juillet/août 1995
Traduction libre, Rondro H RAKOTOBE

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: professionnel | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.