Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 26 October 2015

MPITSABO MANAMPY, SA MPANAMPY MITSABO

"Paramed", hoy ry zareo!
 
Oviana no foana ilay sampam-pianarana niankina tamin'ny fanjakana, nanofana infirmier sy sage-femme teo Befelatanana?
 
Satria maniry toy ny bozaka ny sekoly mamokatra "personnel paramédical" isaka ny sampanan-dalana sy elakela-trano. Henika an'ireo mpiofana ny hopitaly. Izay miambozona "badge" no fantatra, fa mahavidy an'ilay fanamiana avokoa ny rehetra ka mangina mijery fotsiny ianao rehefa misy olona mamadibadika io dossier médical-nao io.
 
Miakanjo ambony-ambany manga na maitso io olona io, manao akanjo mafana volovoloina fotsy raha andro alina, manao satro-bory lamba, mikiraro plastika toy ny sabot, manao aro-orona na aro-vava.
 
Amidy eny an-tsena avokoa ireo fanamiana ireo.
 
Rehefa elaela ao amin'ny hopitaly ianao vao hahalala fa hay ny mpiandry varavarana ity mandalo manao vizity anao!
 
Mifamoivoy ihany koa ireo "paramed", ireo tena izy.
 
Raha ny fijery azy amin'ny ankapobeny, dia tsy ry zareo velively no nataon'i #Princio hira ka nitiavany niditra hopitaly!
 
Inona avy no ampianarina azy ireo any an-tsekoliny? Fahaiza-manao ve? Dia tena atao cobaye ara-bakiteny ilay marary. Tsy mba misy matihanina manoro akory. Trobatrobarana fanjaitra tsy ananana antra ny olona hitadiavana lalan-dra. Ny fahadiovana dia sady tsy hay dika no tsy hay atao rahateo. Apetrapetraka eran'ny lambam-pandriana ny fanjaitra, ny vohavoha ...
 
Mahazo manonofy ianao raha hanantena azy hanolo lambam-parafara na hanadio ny marary na hampisakafo. Mainka moa hoe hanampy anao hivalana, na ranony na ventiny ...
 
Ny marary sy izay mpiandry azy ihany no tokony hitadidy izay fanafody sy fitsaboana hafa tokony hatao, ka tadiavina dia antsoina dia iangaviana ny paramed rehefa akaiky ho lany ny sérum!
 
Sy ny sisa.
 
Ampianarina fahaiza-miaina ve ireny olona ireny? Toa tsy misalasala manko, rehefa avy mikirakira "loto" eo amin'ny farafara A, dia mitodika eo amin'ny farafara B maka sy mandraraka alikaola novidian'io olona io, anasana tanana, ary dia mifandimby eo izy rehetra samy mpiofana ho mpitsabo mpanampy! Misasa amin'ny alikaola nilaharana sy novidiana tao amin'ilay hoe farmasia.
 
Afa-tsy ny karazana fanamarihana atao mikasika ny fitaovan'olona : ny lambam-pandriana, ny valizy sy ny thermos-n'olona...
 
Etsetra etsetra. Eny, misy mahita hatramin'ny mariky ny fiarakodian'ny mpamangy anao.
 
Ary ity no tena loza. Mizá-draharaha amin'ny varotra fanafody sy kojakoja ihany koa ry zareo. Vao vita ny vizity ka tafakisaka eo amin'ny fandriana manaraka ny dokotera sy ny tariny, dia efa misy mibitsika aminao hoe "atÿ amiko misy an'io fanafody io"...
 
Ka aza mba marary ihany fa manao ny ataony daholo ny mpitsabo sy ny mpanampy azy.

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: paramed | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.