Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 03 November 2014

CHARTE LAMBERT VM

Tsy haiko ny dikan'ny Charte amin'ny tenin-gasy. Samia mijery dictionnaire.

Charte nosoniavin-dRadama II, ho an'ny tombontsoan'i M. Lambert

Araka ny Charte-nay tamin'ny 15 Alahamady 1856, nanomezanay fahefana feno sy manokana ny sakaizanay J.Lambert mba hanangana sy hitantana compagnie hitrandraka ny harena an-kibon'ny tanin'i Madagasikara, sy hanao fambolena ny tany na any amorontsiraka na eny afovoan-tany;

Satria tena zava-dehibe tokoa ny famerana sy famaranana tanteraka ny votoatin'ny charte ekenay ho an'i J. Lambert noho ireo soa be sy asa nataony ho anay, mba hahafahany manangana io compagnie io, izay irarianay fatratra tokoa, mba hanampy anay amin'ireo tetikasa fampivoarana (civilisation) ny taninay.

TOKO VOALOHANY

Omenay alalana i J. Lambert mba hanangana compagnie iray hitrandraka ny harena an-kibon'ny tanin'i Madagasikara, ny ala, sy ny tany na any amorontsiraka na any anivon-tany.

Azon'io compagnie io atao ny mamorona lalana, manao lakan-drano, manao asa fanorenana, manangana fotodrafitrasa ilain'ny besinimaro, manao vola misy sarin'ny mpanjaka. Izany hoe raha fintinina dia azony ayao izay rehetra heveriny fa mety hahasoa ny tany.

TOKO II

And.1 : omenay sy atolotray manontolo ho an'ny compagnie ny toeram-pitrandrahana rehetra ny harena an-kibon'ny tany eto Madagasikara, na ny efa fantatra, na izay mbola ho hita any aoriana.

And. 2 : omenay sy atolotray ho an'io compagnie io koa, na ho azy tenany, na ho an'izay ekeny homem-pahefana, ny tombon-dahiny hahafahana mifidy an'izay tany mipetra-potsiny mba hamboleny, na any amorontsiraka na eny afovoan-tany. Noho izany dia ho lasa fananan'ny compagnie ireny tany rehetra nosafidiany ireny raha vantany vao ataony ny fanambaràna fa noraisiny ny tany.

And. 3 : Ny compagnie dia tsy mandoa haba amin'izay harena an-kibon'ny tany voatrandraka, na amin'izay zavatra hafa vokarina sy voahodina avy amin'izany.

And. 4 : Ny vokatra rehetra avy amin'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany na avy amin'ny fambolena eto Madagasikara dia azo aondrana malalaka tsy andoavana haban-tseranana. Ny fananan'ny compagnie dia tsy andoavany hetra. Izay rehetra miditra amin'ny fandraharahana ny compagnie dia tsy mandoa haba na inona na inona.

And. 5 : manome toky izahay araka ny fahefana anananay fa hanome tombon-dahiny an'ity compagnie ity, indrindra amin'ny fanampiana azy hahita mpikarama horaisina.

Afoinay ho an'ny compagnie ny ozinina rehetra ao Soatsimanampiovana mba hahafahany tonga dia mampiasa avy hatrany an'ireo olona efa miasa ao.

Omenay ho birao fandraharahana ihany koa ny château de Soanirana.

Etsy andaniny, ny compagnie dia mamehy tena eo anatrehanay, amin'ny takalom-patsa ara-drariny, fa hanampy anay araka ny fahefa-manao ananany, amin'ny tetikasanay hitondra fanatsarana sy fampivoarana ny taninay, satria natsangana ny compagnie mba hitondra soa sy firoboroboan'ny fitondram-panjakanay.

Ity charte ity, izay natao tamin'ny fo madio, natrehan'Andriamanitra, mba hanampy amin'ny fanaovana ny taninay ho civilisé, dia irinay mba ho antoka ho an'ny sakaizanay J. LAMBERT, sady ho fanamarihanay ny fankasitrahanay azy ary hanampy azy amin'ny fananganana io compagnie io, izay irarianay ho faran'izay haingana. Mba ho antoka araka ny tenin'Andriana ka tsy hi azonay tsoahina na hiverenana intsony.

que nous désirons voir se constituer le plus tôt possible, et qu’ elle soit un gage parole royale qu’il ne nous est plus permis de retirer.

Je certifie que la présente traduction est conforme à la charte en malgache signée par le roi Radama II.

Antananarivo, 3 novembre 1861

RADAMA II- J. LABORDE

(Asa izay dikany teny gasy voalohany fa efa dika teny frantsay ity no nadikako indray!)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: charte lambert vm, radama ii | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.