Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 03 February 2017

FANASANA ATIDOHA, ARAKA NY NTAOLO


Adikako ambongadiny hoe manipulation mentale.


Voajanahary ny fampiasana ny fahalalana ny toetry ny olombelona, ilay hoe psychologie, mba hahazoana izay irina ho azo ka ilay olona sy ny feon'ny fieritreretany ary ny fihetseham-pony ihany no atosika hanatanteraka an'izay tiana hampanaovina azy.


Voajanahary izany fa izay tonga aloha ihany no tompon-tanindrazana. Ny marina mitavozavoza, ny zandrin-karena, ny kely feo, ny zokim-bomanga, ... no tsy maintsy lasibatra.


Henoy ny ohabolana sy oha-pitenenana :
-toy ny tsipak'ombalahy ny ana-dray aman-dreny
-ny tsihy no fola-mandefitra
-didy maso asiam-panafody
-aleo very tsikalankalam-bola
-adin'ombalahin'ny mpianakavy
-dony tapany handoa erany
-raha tiana ny vady, ny rafozana no tsinjovi-mandeha
-tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka
-aza miady amam-paty
-...
Manginy fotsiny ny fampitataovana ny Tsiny sy ny Tody eo an-tampon-doha.


Dia tonga nanao fampiharana sy fanamafisana ireo karazana antokom-pivavahana :
-manajà ny rainao sy ny reninao
-manajà ny mpitondra anareo
-mivavaha ho an'izay manenjika anareo
-atolory koa ny havanana raha misy mikapoka ny havia
-sambatra izay "ampijaliana" sy "mijaly" rehetra (ka miareta eo ihany ary tadiavo mihitsy ny fijaliana!)


Ny resaka eto dia hoe : azo ampiasaina amin'izay tsy voatery ho ara-drariny, ireo heverina sy sokajiana ho ... fahendrena.


Amin'ny anaran'ny fihavanana, amin'ny anaran'ny fitiavana, amin'ny anaran'ny lalàna rahateo, ary amin'ny anaran'ny Tompo.


Amen.

15:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: bozy boleta, lavage de cerveau, manipulation mentale | Comments (0) |  Facebook | | | |