Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 01 November 2018

DELATION

Chuuuut!

Inona moa ilay hoe délation fa tsy haiko tsara.

Izao ilay tantara : nahita "sera" aho hahatafiditra ao amin'ny sekolin'ny zandary. Dia nahita "tataka" aho hahalasa mpiasa an-tsambo. Izay ihany no tantaraiko. Vintana tsy misy toy izany, afeno tsara rankizy fa ho tafita isika. Tsy hisy toa antsika. Na hivarotana ny taninketsa aza, tsy maninona fa rehefa avy eo, manarina. Satria tsy hoe mahafatifaty isika ka misokatra ho antsika ny varavaran-tsarotra rehetra, mandoa vola dia mandoa vola tokoa anaka!

Loza anefa fa hay mpisoloky ireto olona ! An-tapitrisany ilay "hetsika" ka tsy vita ny hangina fa ndao torohana. Lasibatra isika ilay tsy manan-tsiny iny! Henoko hoe niaka-nidina, hono, ny sasany dia "nidoboka". Isika, mangatsiatsiaka afaka madiodio. Tsy hoe saika nanao kolikoly fa tena efa nandoa "ekolazy" mihitsy.

Fa raha nipoaka teo kosa aloha ny bizna .... angaha isika niteniteny?

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: concours administratif, corruption, délation, népotisme | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 Next