Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 21 July 2017

ADY AMIN'NY KOLIKOLY

Rehefa atao ny kaonty :
-raha manao kolikoly dia aza matahotra dénonciation (fitorohana)
-raha miseho ho miady amin'ny kolikoly dia fadio ny dénonciation.

Azo ahodinkodina izy io. Rehefa tsy abusive dia calomnieuse dia fantaisiste fotsiny izao.

Ka :
-raha manao kolikoly dia ho voa-aron'ny lalàna satria endrikendrika no lazaina fa manjo
-raha mpitoroka dia higadra, handoa lamandy satria niteniteny fahatany.

Efa nahita ny Ntaolo : "mamono biby tsy mahafaty".

Efa nilaza mitovitovy amin'izay i Paoly raha nanoratra ho an'ny kristiana tany Korinto : "il préparera aussi le moyen d'en sortir" (fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany) (I Kor 10:13).

Azo anaovana parodie izany. Tandremo fa mampiaka-midina ihany koa. Atao hoe "Tsy misy fakam-panahy hanao kolikoly izay mahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky ny mpitondra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny kolikoly dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba tsy ho voaheloka amin'izany".
Blasphème ve izany? Tant pis.

Tahaka izay aho nanao Avocat. Azo ilalaovana tsara !

18:33 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: menottes de laine, corruption, kolikoly | Comments (0) |  Facebook | | | |