Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 29 March 2019

TAPA-POROHANA MBOLA MANETONA

feu3.jpgTamin’ny fotoanan’ny fanjanahantany, hono, dia mafy ny asa an-terivozona, ny lahasa tsy misy karama, ny asa 30 andro izay tsy maintsy ataon’ny tovolahy feno 18 taona, ny karatra isan-dahy izay aloa isan-taona, miampy ny fanadiovana ny arabem-panjakana.

Fa ny tena loza dia ny SMOTIG : « Service de la Main-d’œuvre des Travaux Publics d'Intérêt Général ». Fomba fampanaovana asa an-terivozona napetraky ny Gouverneur général OLIVIER tamin’ny 1928 teto Madagasikara izy io, ary « nofoanana » tamin’ny 1945. Ny atao amin’izany dia olona marobe miaraka manao lalana, tetezana, tonelina, indrindra fa ireo lalam-by. Tao koa ireo tranom-panjakana isan-karazany. Ireo mbola hitantsika ankehitriny ireo, izay iantsoana ny Malagasy hanao « tana-maro » hikolokolo azy … Ankoatra ireo tokoa mantsy, dia toa tsy nisy fotodrafitrasa vaventy vitan’ny Malagasy loatra.


Eran’ny Nosy dia nahita fangirifiriana tokoa tamin’ny endriny samihafa noho ny nafitsoky ny mpanjana-tany frantsay, ary niaraka nitroatra nanohitra an’izany.
Moramanga hatrany no tena fantatra sy ankalazaina.

Ny MDRM ihany no tena malaza sy manana « kianja » fanaterana voninkazo isaka ny 29 martsa.

Tamin’ny taona 1942/1943 no niforona ny fikambanana miafina PANAMA (parti nationaliste malagasy). Anisan’ny nanangana azy ny mpianatra navoaky ny Ecole régionale tao Mantasoa, nohatevenin’ireo mpianatra avy tao amin’ny Ecole Le Myre de Villers. Mpiasam-panjakana avokoa no nandrafitra an’ity PANAMA ity, izay nanana statuts ara-dalàna, code nifandraisan’ny mpikambana izay nisy nanerana ny Nosy, gazety natao hoe « MIFOHAZA ». Nisy ny velirano natao : mandray lovia misy rano madio, tanimasina nalaina teny amin’ny fasan’Andriana teny amin’ny rovan’Antananarivo, mandohalika an-jorofirarazana miteny hoe :

1-« ho tia an’i Madagasikara tanindrazana mihoatra noho ny vady aman-janaka, noho ny vola, noho ny voninahitra »
2-« manaiky ho miaramilan’i Madagasikara mahaleotena ary vonona hanolotra hatramin’ny aina raha ilaina ».

Ho fanapotehana ny tolona sy ny hafanam-pon’ireo niketrika fahaleovan-tena, dia nanangana ny PADESM ny frantsay. Mpitsikilo sy mpanome vaovao no anisan’ny asan’ny mpikambana tao. Natao hoe « paingotra » ny anaran’izany olona izany.

Ny misasakalin’ny 29 martsa 1947 no nipoaka ny fanoheran’ny Malagasy, nanao ny « adim-panafahana ». Raha fintinina, dia « tanam-polo » no nentina niady. Nisy hatrany ny « mpimasy be » hoe mahay « ody bala », ka natoky nanao vy very ny ainy ireo Malagasy, nampiasa ny tetikadin’ny « rano vaky » sy « bararata may », izany hoe mihiakahiaka ny « fotaka ! rano ! » fa hoe ho lasa rano ny balan’ny vazaha. Indrisy fa notsimpontsimponina ny maty.

Ny ampitso, izany hoe ny 30 martsa ihany dia raikitra ny valy bontana. Fampijaliana tsy roa aman-tany. Natao savahao sy nodorana ny tanàna, novonoina ny olona, nopotehina ny vokatra. Izay afaka nandositra dia tsy naharitra ela, fa niaiky, na matin’ny mosary, na levon’ny moka. Izay azo sambo-belona na nitolo-batana, dia natsipy avy eny ambony fiaramanidina, natsipy any an-drenirano. Betsaka no tsy hita faty. Ny fotsy no tena nandrafitra ny miaramila vazaha. Ny senegaly dia nampiasaina rehefa hanao fampijaliana mahery vaika toy ny fanapahan-doha sy ny fampahoriana isan-karazany takatry ny sain’ny atao hoe frantsay : kapoka mandrivorivo, fivalanan-drano any am-bavan’ny olona. Ambonin’izany, ahohoka ao anaty daba misy maloto ny loha, dia tsindriana hitsahina eo amin’ny hatoka ; ny vehivavy moa dia notsofohana an’ireny kobain’ny polisy ireny tany anaty fivaviany.

Tao Fisakana, dia i Pelimaitso, teraky ny Zafimaniry, no mpanentana, izay nampian’ny vondrona tia tanindrazana natao hoe Belefona, sy ny mpimasy be nantsoina hoe Lahimorona. Tonga nanatevin-daharana ihany koa ny MDRM izay tsy namokatra tamin’ny 29 martsa. Lefona sy kobay hatrany no fitaovam-piadiana, miampy ny ody basy ! Basy marovava kosa no an’ny Frantsay, izay nitifitra avy any an-damosina ihany koa.

Koa satria namono biby tsy nahafaty i Pelimaitso, dia nosamborina, notapahin-doha. Nahantona nandritra ny andro maromaro tao an-tsenan’i Fandriana ny lohany, ho hitan’ny rehetra.

Fotaka efa mandry ve izany fohaziko izany ? Sa rano efa raraka ?

23:55 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: 29 mars 1947, madagascar, fisakana, panama, pelimaitso, belefona | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 Next