Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 28 July 2019

FAMPIANARANA, HONO

Adihevitra be ity tetiandro sy fandaharam-pampianarana atao hoe PSE*. Toy ny mahazatra moa, dia samy te hametraka ny dian-tanany ny mpitondra mifandimby. Na mety na tsy mety ny navelan’ny teo aloha, na ohatrinona na ohatrinona ny masonkarena sy fatiantoka sy tombony tamin’ny nataon’ny teo aloha, dia tsy maintsy mitondra fiovam-penitra mahery vaika.

Fampianarana ilay resaka. Indraindray izy io atao hoe fanabeazana. Tsy mitovy mihitsy izany ka ifanaraho aloha. Tsy aritro fotsiny fa nirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ilay ramatoa ministra, ary nitsotra fa nanao an’izay hahazoan’ny filoham-pirenena ny  maro an’isa. Dia nijanona ho banga teo ny toerany satria tena tsy misy mahasolo azy. Rehefa lany ho solombavambahoaka izy, dia niverina moramora notendrena ho ministra indray. Ary dia manohy ny taralilany amin’ity PSE.

Dia mimenomenona sy minaonaona avokoa ireto Malagasy mahay mandalina sy mamakafaka rehetra. Tsy misy fantatro izay antsipiriany, fa ny henoko dia hoe ahiahy amin’ny hoavin’ny mpianatra.

Tsy efa fantatra ve fa na iza na iza mitondra raharaham-panjakana eo, dia tsy maintsy hanao an’izay tiany, na izay ahazoany mpikopakopa-dalitra sy mpanafosafo be indrindra ? Fa angaha kosa aloha ianareo dia miantehitra manontolo amin’ny mpampianatra any an-tsekoly ho an’ny famolavolana ny zanakareo ? Hadinonareo angaha fa na iza na iza nanolo-tena sy nisora-tena ho mpampianatra FRAM dia « nakarina » ho mpampianatra raikitra ? Tsy tadidinareo angaha ilay ramatoakely atao hoe aide-maîtresse « nakarina » ho mpampianatra ny zaza any amin’ny taona santatra ? Any amin’ny tena fototra mihitsy … Any an-tokantrano indray, moa va tsy ilaiboto sy ikalazaninina no anankinanareo ny « fitaizana » ny zanakareo ?

Safidy ilay hampiana-janaka na tsia. Adidinao ray sy reny niteraka ny fiarovana ny zanakao amin’ny ranotrambo, ny bibidia, ny hatsiaka, ny mpangala-jaza, ny devoly, ny mpamosavy … Tsy ianao no hanova toerana ny sekoly, na hanofana ny mpampianatra, na hanome diplaoma ny ankizy …

Ianao ray sy reny niteraka no tompon’antoka voalohany amin’ny zanakao. Tari-dalana (angamba) no an’ny mpampianatra any an-tsekoly. Izay adala no toa an-drainy, fa ilay rainy ve mba manana lenta hatraiza ? Apetraho ho avoavo kokoa ny fetry ny vikina hotratrarin’ny zanakao fa aza mametra-pialana alohan’ny fotoana ka hoe fiompiana ihany no ataoko rehefa vita ny fambolena !

Ampitomboy ny fahalalana mba tsy hivaly fanontaniana ny fanontanian’ny zanakao. Mba manana fahitalavitra ihany nefa sarimihetsiky ny zaza miala sakana no andanianao andro. Mba afaka mahita tranokalam-pifandraisana ihany fa mivanivany amin’ny hatsikana mirefarefa amin’ny tambazotran-tserasera no andaniam-potoana.

Ny ankamaroan’ireny zaza mahay tenim-pirenen-kafa ireny dia manana fahafahana mampiasa an’izany ao an-tokantranony. Ny ankamaroan’ireny olona ikoizana amin’ny fanehoan-kevitra ireny dia nambolen’ny ray aman-dreniny fitiavana boky sy tahirin-kevitra samihafa …

Ka na PSE na tsy PSE, na fanagasiana na fanontoloana, dia mitombina lalandava ilay hoe « ny tany naniriana no tsara raha vanon-ko lakana ny hazo » ary « tsy avelan’ny hasoa tsy hihiratra ny volamena latsaka am-bovoka ».

*programme sectoriel de (ou pour) l’éducation (ou enseignement ?)

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: pse, éducation, enseignement, madagascar | Comments (0) |  Facebook | | | |