Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 15 September 2017

IANAO

Tsy vera sy tavoahangy,
Tsy zava-mamy ihany,
Tsy hehy sy sangisangy
Hoe fady ny tomany
Ka iny ianao no leo
Rehefa ireo no tsy eo !
 
Io ianao mizara
Ny ratsy sy ny tsara,
Ny am-poko tsy miteny
Fa takatrao ireny,
Tsy vaky ny taraina
Fa azonao an-tsaina.
 
Inona ny havana ?
Teren'ny ra iraisana
Mbola mitantavana
Sy mampitondra faisana.
Voafehin'ny "satria"
Ka modimody tia.
 
Inona ny vady?
Ilay silaka fanahy,
Nafatotry ny voady
Ilay tanana mitahy,
Nanaovana sonia
Ho vonan’ny fitia.
 
Inona ny namana?
Mihoatra izany ianao.
Fa olo-manavanana
Akaiky tsotra izao.
Mahay mandray tokoa
Ny resaky ny fo.
 
Ka inona àry ianao?
Tsy misy ianao ireo,
Tsy misy iantsoako anao,
Tsy aloka, tsy feo
Fa isan’ireo vitsy
Hoe tena izaho mihitsy!

19:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: izaho, ianao | Comments (0) |  Facebook | | | |