Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 22 August 2017

ZOKIM-BOMANGA

Tora-poko irery toy ny ataoko rehetra ihany ity. Izay indray vao henoko ilay ramatoa anankiray malaza be mpanao politika sy be politika. Dia tsaroako ny nanositosehany ahy tao anaty fivarotana iray. (Efa nosoratako ity tantara ity).

Izaho efa mpanjifa tao foana, na ho an'ny tenako na ho an'ny asa fivelomako. Fa izy, nanao be fiavy nombam-pianakaviana nony injay voatendry tampoka tamin'ny andraikitra "ambony" tao amin'ny fitondram-panjakana! Vao niditra ny andian-dehilahy be solomaso mpiaro ny ainy sy ny fananany, dia nikisaka avokoa ny olona "tsotra" rehetra. Izaho tsy nahita fa variana teo amin'ny rayon nisy ahy. Tonga dia nisosoka teo anoloako i Ramatoa. Raidraisina daholo ny zava-drehetra. An-kevitry ny vao tafian-damba avokoa ny entana rehetra tany an-trano tany. Tsy misy hoe loko inona na style ahoana na refy manakory fa izay hitsin'ny tanana dia nafatratra tao anaty harona. Gaga fotsiny aho, toy ny tantera-pahazavana teo anatrehany. Toy ny nahatongavany koa no nandehanany. Tadio avy nanao razzia!

Izany no olona atao hoe "lehibe". Angaha izay ihany? Lehilahy lehibe lahimatoam-pianakaviana, hono. Omem-boninahitra fa hoe "zoky ray aman-dreny". Tsy fombanay ny mitsako alohan'ny vazana. Omen-dalana izy handoatra ny sakafo hohaniny. Ary dia tsy misy fiheverana ny hafa. Raha sendra misy mampahatsiahy hoe mbola misy olona ao afaranao, dia tohizany mafimafy kokoa ny fandraofany, arahany teny hoe "ka miveraka tsinona".

Hoy ny Ntaolo hoe ny hendry mody voky fa ny adala manesika ihany. Izany hoe hazakazaka arahan-tosika io fa adala izay miveraka!

Izany ry havana no "lehibe", mitondra fanjakana, vehivavy sy lehilahy lehibe mitondra tokantrano ihany koa. Izany no "mitaiza" amin'ny méthode du FAROMBAKA -PARTY.
 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: farombaka party | Comments (0) |  Facebook | | | |