Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 08 March 2018

NY 8 MARTSA

O rankizy,
 
Tsy fetin'ny vehivavy izany io. Toy izany koa ny fetin'ny reny. Fetin'ny reny fa tsy fetin'ny vehivavy. Ka hoe izay rehetra vavy dia harahabaina daholo hoe Bonne Fête !
 
Tsy hoe maninona fa izaho moa tsy maintsy mahita holazaina sy hosoratana raha tsy izany ho gagagaga ny pejy ...
 
Isan’andro mihiratra nataon-janahary dia andrenesana sy ahitana karazan-tsampona tsy tokony hihoatra ny faritry ny tsiambaratelo. Tsy misy anjely eto an-tany, ary na ny anjely aza efa nisy niodina ka tonga raiben’ny demony. Samy manana ny fahalemeny fa mba azo afinafenina angamba izy ireny. Fa nanjary rehareha ny « mihanjaka » imasom-bahoaka, mampiseho « talenta » etsy sy eroa, toy ny milaza hoe rehefa tsy hanao ianareo dia aleo hanaovanay azy, izahay tsy mihafihafy fa anay ny tany sy ny lalàna, izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato anay, ary zovy moa no miteny aminareo fa manota izahay …
 
Marina fa manan-tsofina ny rindrina, nefa matetika dia ny olombelona mihitsy koa no mampidanadana ny varavarana rehetra, manao tsinontsinona an’ilay hoe ny tokantrano tsy ahahaka.
 
Zary lamaody ifandriatana ny atao hoe fanarenana ifotony sy fananganam-pirenena. Sao dia ny « reny » aloha no tokony « hamboarina » ! Efa voasoratra efa ela hoe omeo vehivavy hendry aho hanamboarako firenena vanona. Fa ireo « vehivavy » tompon-tena va re mba mahalala ny atao hoe « fahendrena ». Sa miova isaka ny vanim-potoana ny fahendrena. Sa miova arakaraka ny lanjam-bola amam-pahefana ny fahendrena. Ny fitiavam-bola (sy laza) hono no fototry ny ratsy rehetra. Sa ny fitiavan-dratsy no fototry ny vola (sy laza) rehetra ? Tsy fantatra intsony izay taloha na ny akoho na ny atody. Rehefa mandinika anefa, dia ny akoho no taloha, satria tsy namorona gamètes lahy sy vavy Andriamanitra tany am-piandohana ka hoe mandehana dia mifampitadiava dia manjaria embryon …
 
MIHAJA SY MENDRIKA …
 
Sao mba ny vehivavy no tokony hanombohana an’izany ?
 
Inona ihany ity atao isaka ny 8 mars ? Mandihy vako-drazana sy manao mitabe ho fahatsiarovana ny arbre de noël fahazaza, manao matso manodidina ny farihy ho famerenana ny 26 juin fony mpianatra, dia mitehatehaka kabarin’ny manam-pahefana ho fitsinjovana tombontsoa kely tsy mahavita taona …
 
Sa hiandry lehilahy ? Angaha tsy efa samy teo foana ny lehilahy sy ny vehivavy hatrizay fa inona no teo ?

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: 8 mars | Comments (0) |  Facebook | | | |