Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 02 May 2018

EZAKA TSY MISY MENAKA

Tamin’ny alahady 29 avril 2018 no feno 87 taona ny radio madagasikara, ilay lazaina hoe radiom-panjakana. Toy ny vao omaly ilay feo nifampisangiana hoe RNM valopolo taona ! Rehefa nataoko ny fandinihana rehetra, dia mbola ekeko fa hafa ihany ny RNM. Tena hafa mihitsy. Ary tsy nandiso an’izany ny « fahendrena » niatrehan’ny tale Johary Ravoajanahary an’ireo solombavambahoaka hoe mitaky fanovàna, ny omalin’io andro io …

Hatramin’izay ka hatramin’izao, dia zavatra tsy maintsy ataoko isan’alahady ny mihaino ny RNM (radio nasionaly malagasy) rehefa alahady maraina amin’ny 6 hatramin’ny 9 ora sy sasany. Tao anatin’ny vaovaom-piangonana iraisam-pinoan’ny kristiana àry no nandrenesako filazana mifanitsy tsara amin’ny eritreritro. Hanavao ny trano fiangonany ny mpino loterana any Itaosy any. Ny anaran’ny hetsika dia hoe « ezaka tsy misy menaka ».

Izany hoe « omeo izay homena fa tsy voatery hividy sy hivarotra tapakilan-tsakafo ».

Marina izany. Raha izaho avy aty amin’ny farany atsinanana ve no hiainga handany andro sy handany hery sy handany vola handeha hamonjy « sakafom-piraisana », « opération tilikambo », « rindran-kira fanangonam-bola » any amin’ny farany andrefana … Tsy aleo ve atambatro daholo izany fandaniana rehetra izany, homeko bolongana ho an’izay mila azy ? Tsy maintsy hatavezina ihany koa ve ny mpahandro, ny « espaces », ny mpikarakara lanonana, ny mpanonta tapakila sy peta-drindrina, ny mpampandihy, ny mpandoka varotra … Tsy maintsy vizanina ve ny mpikambana hanao izay tratry ny ainy handafo ny anjara tapakila terena hamidiny ?

Ataovy matanjaka ny fanentanana sy ny fandresen-dahatra, dia izay tery am-panahy no manome avy hatrany araka izay lazaina azy hoe mba ohatrinona fara fahakeliny.

Mahatsiaro manokana an’ireo voatery miantso fanampiana noho ny voina mihatra aman’aina …

 

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: opérations fundraising | Comments (0) |  Facebook | | | |