Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 16 June 2019

RAY, TOKANA, IRAY

Fifaninanana nampanaovina tao amin’ny vondron’orinasa EDL (everyday life), noho ny andro fankalazana ny ray, nahazoan’i Mamisoa RAKOTOBE amboara.

 

Ambanimbany kely noho i Zanahary

Nizara sombin’aina hitambatra amin’i Neny

Tanatin’ny fitia, dia indro izaho fa àry ;

Tanatin’ny fitia, nitombo taona teny.

 

Mifofotra sy miasa mba hamelomana ahy,

Mahafoy ny tena ho an’ny ankohonany.

Mikolokolo saina, ny vatana, fanahy,

Misakana ny ratsy tsy handika ny tokonany.

 

Izany no hoe Ray, Idada na Ikaky :

Tsy mikely aina, herim-po sy herin-tsandry,

Mizara, manome kanefa tsy mitaky ;

Miantoka, miaro. Toky sady andry.

 

Jiona 2019

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: everyday life, fête des pères | Comments (0) |  Facebook | | | |