Sunday, 16 June 2019
RAY, TOKANA, IRAY
Fifaninanana nampanaovina tao amin’ny vondron’orinasa EDL (everyday life), noho ny andro fankalazana ny ray, nahazoan’i Mamisoa RAKOTOBE amboara.
Ambanimbany kely noho i Zanahary
Nizara sombin’aina hitambatra amin’i Neny
Tanatin’ny fitia, dia indro izaho fa àry ;
Tanatin’ny fitia, nitombo taona teny.
Mifofotra sy miasa mba hamelomana ahy,
Mahafoy ny tena ho an’ny ankohonany.
Mikolokolo saina, ny vatana, fanahy,
Misakana ny ratsy tsy handika ny tokonany.
Izany no hoe Ray, Idada na Ikaky :
Tsy mikely aina, herim-po sy herin-tsandry,
Mizara, manome kanefa tsy mitaky ;
Miantoka, miaro. Toky sady andry.
Jiona 2019
18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: everyday life, fête des pères | Comments (0) | Facebook | | |
The comments are closed.