Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 12 October 2019

LAMAKO!

Lamàko ••••

Lamàko ••••

Avereno ••••••••••

Atambaro •

 

Io ilay fanentanana atao hanombohana fandraisam-pitenenana, hanalana sarona, hanaitairana. Io ilay antsoin'ny mpiteny anglisy hoe icebreaker, izany hoe famakiana vaingan-dranomandry.

Tsy hadinoko mihitsy ny mampiditra an'io ao anaty fandaharam-pampiofanana rehefa ilay antsoina hanampy ny olona hafa firenena iny aho, mba hampahafantatra azy ireo ny teny sy kolontsaina gasy!

Ary hatrizay ela izay, dia nihevitra aho fa vakoka efa tranainy be izy io.

Kanjo, hay tsy mbola nihoatra ny 77 taona.

77 taona, fotoana nahaveloman'Andriamatoa RAMINO Paul, Mpitandrina, izay namorona azy io, "hono"...

Iriko r'ise raha io no hanomezam-beloma an'ise rehefa higaona ny varavaram-bato, raha hifandao isika ...

ATAMBARO !

TANANA HAVIA ...

22:30 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: icebreaker, ramino paul | Comments (0) |  Facebook | | | |