Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 06 November 2019

NY NANAHARY

Midona ny oran-ko avy, manako ao am-po mahatsiahy ...

Dia mandeha ny andro sy ny fotoana. Miha-manify ny laharan'ny indray mihira tamin-dry Neny. Tena miha-vitsy ireo hany sisa antsoiko hoe "dadatoa". Fa lasa niamboho koa i tonton Jacques, na Andriamialisoananahary Jacques, ilay farany tavela tamin-dry Nanahary mirahalahy avy namorona ilay tarika mpihira. Misy ny zaza mpandimby, fa efa mpandimby ... Raha tsy diso aho, dia tamin'ity 2019 ity avokoa no nandeha izy telo mianadahy : Bako, Pierre ary Jacques.

Impiry hiakatra an'Ampananina isika rankizy?

Tsy ho hitako intsony izany ilay hira anankiray, fikalon'i Théo isaka ny misy fihaonana. Ilay manao hoe "ny foko izay nitia toa efa mangana ...." Tsy misy mahalala ilay izy, toa tsy voarakitra an-koronana ihany koa. Ka dia masina tompoko, tsarava ihany, trarantitra izay mbola velona. Ireo izay efa lasa moa, deraiko am-poko ato, omeko pao-tsatroka araka ny fombako, ataoko fiarahaban'Andriana fanao amin'olon-tiana ...

Nandao iny toerana iny ianao. Mandry am-piadanana.

jacques nanahary

09:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jacques nanahary, ampananinarivolahy mahitsy, rabobalahy | Comments (0) |  Facebook | | | |