Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 03 September 2017

MATANJAKA MAHERY

Tamin'izany andro izany, lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, fa tomady sy natanjaka ny mponina tany Androy. Nahoana kosa moa, izao no foto-tsakafo :
 
-Volavolan'ampemba, toy ny poa-katsaka atao boribory lehibe noho ny totohondry, atambatra amin'ny tantely na siramamy natsonika.
 
-Habobo : ronono mandry toy ny hoe ronono mivadika, toy ireny yaourt ireny, matavy sy matevina ery.
 
-Bageda na batata, vomanga hoy ny sasany, vaventy toy ny kibon-dranjo, fotsifotsy toy ny ovy ny hodiny. Atono ireny fa tsy handroina.
 
-Asa raha azo ambara ho voankazo ny voan-tsilo raketa, izay mamy sady manafaka hetaheta tokoa.
 
Tantara sisa izany ankehitriny. Dia ohatra ny mahatsiaro an'i Jesosy aho ! Natanjaka tokoa izy raha ny fanombanako azy. Tsy azoko an-tsaina ny bika aman'endriny fa ity izy nitety havoana sy ranomasina, tany an'ala sy tany an'efitra, tany an-tsaha sy teny an-tsena dia ahafantarako fa tomady izy. Nahoana kosa moa :
 
-nonon-dreny no nivokisany
 
-vokatry ny oliva no nampiasainy, nahatsara ny hodiny sy ny volony
 
-ny sakafony dia hazandrano, mino aho fa natono, mofo tsotra avy amin'ny varim-bazaha nokosehina, henan'ondry. Ny aviavy nohaniny no nahatsara feo azy nahafahany niteny mafy nikabary ankalamanjana tsy nisy sono tamin'ny vahoaka tsy omby dimy arivo. Vokatry ny voaloboka no fisotrony, tsara amin'ny fahasalamana avokoa na vin cru na tsia. Mety nihinana valala sy tantely remby toa an'i Jaona koa izy
 
-lamba rongony no nitafiany, tsy synthétique, ary kapa véritable cuir no nentiny nanao randonnée
 
-teny an-tampon-tanety matetika izy, nifoka rivotra madio
 
-dia an-tongotra no nataony, rehefa tsy niondrana an-tsambokely na nitaingina zana-boriky
 
-nampiseho fihetseham-po miiba toy ny manjo ny olombelona rehetra izy : tezitra (tao an-kianjan'ny Tempoly), diso fanantenana (tamin'ny aviavin'i Betania), nitomany (an'i Lazarosy malalany), nahatsiaro ho nilaozana (teny an-tendrombohitr'Oliva raha resin-tory ireo mpianatra, teo ambony hazo fijaliana lamà sabaktanì), naka toky (ry Petera, tia ahy va ianao), nangetaheta (teo ambony hazo fijaliana), kivy (Ray ô, esory amiko ity kapoaka ity) ...
 
Tsotra i Jesosy. Tsotra tamin'ny lafiny rehetra. Nitovitovy régime tamin'ireo Antandroy sy Mahafaly niara-belona taminay tany Ampanihy sy Fort-Dauphin ...
 
Kisendrasendra ihany izay mety ho fitoviana ka ialana tsiny indrindra.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: jesus was bio, simple life | Comments (0) |  Facebook | | | |