Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 14 February 2020

NY OLONA REHETRA SY NY OLONA MANONTOLO

psy.pngManahirana be ilay miresaka satria misy olona, sady tsy mahay na inona na inona no sarotra atoro. Ny faharoa moa no manazava ny voalohany, ary ny voalohany no anton’ny faharoa.

Ny tena mahakivy, dia ilay olona tena tsy eritreretina ho vendrana indrindra no tena dondrona. Ary ny vao mainka mahakivy, dia izany no hanao randran-tarihana amin’ny taranany rehetra.

Indraindray aho, rehefa tojo olona be drinkina tsy manaiky hadisoana, na efa atohoka azy aza ny fahamarinana, dia hoy aho hoe « ianao ilay miteny io mihitsy no halany ka na inona na inona hambaranao eo, dia toheriny ». Misy fahavoazana ara-tsaina ny olona toy izany, misy tsy firindrana ara-pihetseham-po, misy tsy fahafaham-po ara-batana ary misy kilema ara-piaraha-monina.

Taranja tena tsy fantatra eto Madagasikara ny hoe psychologie, izay afangaro matetika amin’ny psychiatrie satria samy hafohezina amin’ny hoe psy. Inona koa anefa moa no (tena) fantatra eto Madagasikara ? Fantapantatra no betsaka.

Indray andro, naiditra hopitaly an-kamehana ity havanay. Feno, hono, ny fandriana tao amin’ny tokony hisy azy, dia natao tany amin’ny Service de neuropsychiatrie. Dia hoy ny bitsibitsiky ny mpamangy teny an-dalantsara : « fa angaha lasa adala ? ».

Izany no ao an-tsaina raha vao resaka psy no heno.

Any ivelany, Frantsa sy Suisse no tena fantatro, dia olona tsy afaka misaraka amin’ny « fiainana » ny psychologue. Zava-dehibe loatra ny fanohanana ara-tsaina amin’ny lafim-piainana maro samihafa. Raha aty Madagasikara no manao toy izany, dia velona ny hoe « miresadresaka fotsiny dia ampandoavina vola ». Hanao analizy aza moa, hitily ny fototr’aretina alohan’ny hirosoana amin’ny fitsaboana : efa voaompa ny dokotera hoe « izahay efa ho faty, mbola alaina ra e, atao radio e … ».

Tsy mahazatra an-dRamalagasy, satria tsy fantany, satria tsy nampahafantarina azy, satria tsy laharam-pahamehana, ny hanatona psychologue. Ny psychiatre moa, tsy maintsy atonina ihany rehefa sendra an’izay marary saina, rehefa tsy hoe ho any amin’ny Mpiandry handroaka demonia.

Tsy nampahalalaina an-dRamalagasy fa ny dona rehetra, na ny tsapa na ny tsy tsapa, dia ilàna fanohanana avy amin’ny psychologue : manomboka amin’ny hoe zaza avy amin’ny vohoka tsy nampoizina, ny olana any an-tsekoly sy any am-piasana, mandalo amin’ny fiatrehana loza vokatry ny toetr’andro, ny faharavam-pananana, ny famoizana olon-tiana, ny tsy fananana asa, ny aretina mitarazoka, ny olana ara-pifandraisana, ny akanga sisa nanamborana tamin’ny ady na fanafihana na valan’areti-mandringana …

Hoy ny fitenenana mahazatra hoe ao anatin’ny vatana tomady no misy ny saina mahiratra. Amin’ny saina milamina ihany koa no ahafahan’ny vatana mivelatra.

Tsy mbola laharam-pahamehana eto Madagasikara ny hikarakara ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Na, tsotsorina hoe efa ataon'ny fiangonana izany! Dia aiza ho aiza àry isika?

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: psy | Comments (0) |  Facebook | | | |

1 2 3 4 5 6 7 8 Next