Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 10 March 2019

MISAVIKA (DEMOCRATIE A LA CON)

Ny tiako holazaina dia hoe nisy fotoana nanaovana hadisoana, ka nanomezana fahefana ny tsy tokony ho nomena fahefana. Nanomezana fahalalahana ny tsy tokony ho nomena fahalalahana.

 

Mbola soatoavina (valeurs) heveriko ho tokony hitoetra ny fahefan’ny zoky, ny lehilahy, ary ny « mpitondra ». Very haja, very hasina, very fahefana ireo noho ny antony avy amin’ny tenany sy avy amin’ny manodidina. Ny adidin’ny manodidina dia ny « miaro » an’ireo olona ireo ho mendrika ny toerany sy ny satany. Fa tsy hifandrombaka hanongana azy mba hakàna ny sezany. Fa tsy handray andraikitra tsy tandrify hanakorontana ny lamina efa misy. Tokony hitoetra hatrany ny « elanelana » amin’ny saranga samihafa sy samy hafa. Tsy misy resaka ambony sy ambany izany, fa hasina samy manana ny toerany, ifanajana. Fitondram-panjakana no resahana. Saingy hita taratra eny amin’ny sehatra kelikely ihany koa izany.

 

Tantara kely voalohany. Izay rehetra mombamomba an’izay sefoko izay, dia tsy azon’iza na iza kasihana mihitsy. Tombontsoa lehibe nigagan’ny rehetra ny fahafahana miditra ao amin’ny biraony, fa izy no mivoaka tao rehefa misy ilàny. Ny mpanadio trano ihany no mankao, ary tsy mahazo mankao raha tsy eo izy. Rindrim-pitaratra no manenika ny toeram-piasana, fa ny fitaovan-tserasera hatrany no nifandraisana. Indray andro, azon’ny tsy fahasalamana tampoka izy ka niantso ahy hanao ny raharaha azy manokana tokony nataony tany ivelany. Nomeny ahy avokoa ny codes rehetra nilaina. Gaga ny mpiara-miasa. Vao mainka talanjona satria tsy nanova na inona na inona teo amiko sy tamin’ny toerana notanako izany. Nijanona ho ilay mpiasa tsotra toy ny rehetra ihany aho fa tsy nanararaotra hihoatra ny fetry ny fefy nisy ahy, ka hihevi-tena ho lefitry ny lehibe, na tanany havanana na mpiray lova aminy na mpiray renivola, satria hoe nandray ny fiarany, nanao ny tsenany, naka ny zanany, niditra ny tranony ! Izaho iny.

 

Tantara kely faharoa. I Plein indray no anaran’ilay mpanampy anay ao. Lehilahy izy io. Tsy dia fombako ny miresadresaka zavatra ankoatra an’izay ifandraisanay, dia ny asa ampanaoviko azy. Mifampiarahaba rehefa sendra mifanojo. Indray andro, nandray fihaonan’ny mpinamana izahay. Sahirankirana kely aho. Dia nisy niantso re ity Plein mba hoe hanampy. Asiako antsipirihany kely mba hahazoanareo azy tsara. Nasaina nandrehitra afo hitonoana hena izy. Tena tsy sitrako izay. Koa satria tsara fanahy be ireto namana, “samy olombelona” izao ihany, hono, ka dia navela hijanona teo i Plein na dia efa velona aza ity afo. Naka toerana soa aman-tsara koa ny anaolahy, nandray anjara tamin’ny fisotroana sy fihinanana sy fihomehezana sy fihirana sy filalaovana, nihaino sy naheno ny resaka sy vazivazy sy tantaram-pianakaviana sy fisakaizana hatrany amin’ny taonjato lasa ! Sorena aho. Tsy nisy nahazo mihitsy ny pi-maso sy ny teny mangina nataoko hoe alefaso mandeha any amin’izay io. Dia teo hatramin’ny farany izy, izay tsy nitsara tena rahateo. Taorian’iny, dia tsy ariny ny tsy naneho fa tadidiny daholo ny anaran’ireo olona teo. Efa tsy tohizana ny resany, mbola ikirizany ihany. Taorian’iny, dia tononiny amin’ny anaranay izahay ! Ary ity, saika hiera tamiko izy indray mandeha. Tsy tazako mihitsy fa variana nitodika tany an-kafa aho. Dia nosiahiny re aho rey olona. Toy ny misioka mpiara-milalao rugby! Fahasahiana tsy roa aman-tany. Tsy nampoiziko fa tafaherika aho, toy ny hoe nanoina ny siokany, ary endrey ny hafaliana tsinjoko teny amin’ny masony. Hatezerana ny ahy, niseho sy naseho tamin’ny endrika sy ny fihetsika sy ny fijery. Tsy mino aho hoe « azony » ny anton’ny avonavoko nanomboka teo. Tsy izaho izy.

 

Toy izany ity demokrasianareo ventesina etsy sy eroa ity. Nisy hadisoana natao, namafy foto-kevitra tsy voafehin’ny rehetra. Fahalalahana sy Fitoviana ambongadiny, baranahiny, gaboraraka, fafy katrana. Zavatra tsy hay no nibitabitahana. Tsy vorona azon’adala fotsiny fa hena an-tanan-tsaka ihany koa. Azonay ka tsy avelanay.

 

 

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: démocratie, madagascar, gaboraraka | Comments (0) |  Facebook | | | |