Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 26 August 2017

FAMITRANAM-PIFANDRAISANA HO FAMPITOVIAM-PIJERY

Ilay hoe Fihavanana aloha dia efa tsy mazava ny dikany. Ady hevitra tsy ho vita raha ny filazana fa "manan-karena" ny teny gasy. Raha mbola haka toerana hifamarafara amin'ny tiana holazaina, voatery hanao anaty parenthèses dikan-teny, dia mahantra be ilay teny.
 
Tsy hay ilay hoe Fihavanana. Dia inona ny Fampihavanana? Rehefa ampihavanina dia tokony ho lasa mpihavana. Satria izay ampivadiana dia lasa mpivady. Statut izany ilay hoe mpihavana. Tsy misy idiran'ny sentiment izany. Tsy rehefa mpihavana dia mifankatia sy mifandefitra. Tsy rehefa mpivady dia mifankahay 100%. Ka raha hijanona eo amin'ny statut, dia mitondra inona na ho an'ny mpihavana na ho an'ny manodidina?
 
Tsy hiady hevitra amin'ny zavatra tsy mandresy lahatra ahy toy io aho fa hanao fanamarihana fotsiny. Tantara roa :
 
1-Fiolahana ankodimirana tamin'ny RN7 anelanelan'Antananarivo sy Antsirabe. Taitra be aho nifanena tampoka tamin'ny Mercedes mainty avy any atsimo. Oay! Ravalomanana hoy aho sady nitsiky be aho no nikopaka azy toy ireny mpinamana ireny! Tsy izy no nitondra. Prezidan'ny repoblika izy tamin'izany. Nitsiky koa izy sady nanondrika kely ny lohany no nikopaka ahy. Falifaly be toy ny nahita fahasoavana aho tamin'izay! Namaly ny arahabako teny an-dalam-be Andriamatoa Marc Ravalomanana, prezidan'ny repoblika!
 
2-Taona vitsy talohan'io. Teo anoloan'ny biraon'ny OMNIS teo Ambohijatovo. Niady tamin'ny mpisava lalan'ny praiministra Tantely Andrianarivo aho. Nasainy nikisaka naka sisiny nefa avo be ilay trottoir teo ankavanana. Nokapohany ny vatan'ny fiarako sady navoakany lavabe teo amin'ny varavarankelin'ny fiara nitondra azy ny vatany. "Ahoana?" hoy koa aho taminy. Tezitra be ilay lehilahy mainty be ranjanana be misolomaso mainty be. "Tifiriny eo ianao", hoy ilay niaraka tamiko. Nipoitra avy any ny fiara nitondra an'Andriamatoa Tantely Andrianarivo. Nitsiky tamiko izy sady nanao "salut" niala tsiny. Nisinda ny hafanam-poko sy hatezerako satria tsara fanahy tamiko ny lehiben'ny governemanta anankiray tamin'ny andron'i Didier Ratsiraka!
 
Dia ity ny tantara fahatelo. Efa mpikambana tao amin'ilay hoe mpanao fampihavanam-pirenena i R.J. , lehilahy antitra 80 taona mahery, tsy miala satroka sy cache-nez ary pardessus na ririnina na lohataona. Mbola voatana ho isan'ny mpiadina farany amin'ity hoe CFM izy ankehitriny. Version vaovao amin'ny fampihavanam-pirenena io. Tsy haiko ny fanalavana azy fa toa safiotra ifangaroana teny gasy sy frantsay. Ny fantatro dia Cercle Franco-Malgache sy Chemins de Fer de Madagascar. Inona no manahirana ahy amin'ingahy R.J. 80 taona? Nifanena izahay ... mianaka. Izahay irery. Fantatro izy. Dia niarahaba azy aho. Fantatra foana ny olona miarahaba na marenina aza ny tena. Fa izy tsy marenina. Tsy jamba ihany koa. Fa nojerijereny tsara aho, toa nangarihany mihitsy aza. Tsy izaho ihany kay. Tsy mamaly arahaba mihitsy hono ingahirainy.
 
Dia fihavanana sy fampihavanana inona izany ity kasainy hatao? Ny fara fahakeliny amin'ny fahalalam-pomba aza toa tsy hainy. Nefa toa hoe "ray aman-dreny araka ny fomba nentin-drazana" ihany koa izy io ....
 
Monsieur, réconciliez-vous d'abord avec la politesse. C'est la moindre des choses, non? Simple comme bonjour.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fihavanana, fampihavanana | Comments (0) |  Facebook | | | |