Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 27 August 2017

BAOTY FOTSY

Notsikorofohan-dry zareo ny vatasarihan'ny fahatsiarovako. Toy ireny hoe niara-nilalao tongo-kazo sy papango taratasy ireny!

Niresaka boum dia tadidiko ity tantara ity, famerimberin-dry "tovolahy fahiny" rehefa tafahaona aty aoriana.

Tao Antsakaviro, hono. Lasa fianaran'ny Médecine ilay trano tato aoriana. Nisy fandihizan'ny tanora matetika tao. Dia azafady fa ataoko araka ny fitantaran-dry zareo azy, mpiara-manenjika boum.

Mifanindry ny bandy, izay iray mahazaka sipa milay indrindra rehefa mirava ny boum. Mandeha tsirairay manko rehefa miditra. Dia mivoaka tsiroaroa rehefa mirava! Somary nôfa be daholo ireo vehivavy. Tsy dia misy mahay mandihy afa-tsy slow, sady iny ihany koa moa no fampiresahana azy. Fa manana chance kokoa ireo mahay rock. Somary maizimaizina ilay trano. Efa nasesy daholo ireo sipa fa mbola nisy tsy nahazo ihany ireto mpinamana. Teny amin'ny coin lavidavitra, nisy anankiray ohatran'ny tsaratsara, mipirimpirina, zanaka mpanampanana angamba dia somary miavona. Manao zipo sy baoty fotsy. Dia nifanamby hoe izay iray mahazaka an'i baoty fotsy. Mbola nisy nitsaho ihany hoe sao mba i Mandolinah lesy io (hainareo ve i Mandolinah). Fa slow iray isanisany ihany dia rava ny tsena. Nanao zipo plissée sy sous-pull ilay sipa. Ary kay tsy baoty ilay izy fa faux bas matevina lava be teo ivelan'ny espadrille! Toy ny baoty rehefa jerena avy lavitra.

Tsara ho anareo izay!

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: boum, bal des jeunes | Comments (0) |  Facebook | | | |