Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 16 July 2017

MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA

Havanay hafa indray koa i Tiana. Teneno rehefa leo anay mianakavy ianareo.
 
Mpitondra taxi no asany nahabotrabotra azy hatramin'izay. Teo aloha dia tonga tao an-tokotaniny ilay fiara 4L fitondrany, nomeny ny anarana hoe Sombiniaina. Kanjo nisy nanorina trano teo amin'ny lalana mankao ka dia eny amoron-dalana no apetraka ilay fiara. Tsy akaiky fa rehefa vita ny arabe sahabo ho 200 metatra dia mbola mandeha elakela-trano miolika sy tery ary mangina vao tonga eo am-bavahady.
 
Tsy misy mpiambina i Sombiniaina eo amoron-dalana eo, ary rehefa ho avy koa ny orinasa mpampanofa sisin-dalana dia asa fotsiny. Fony mbola teo an-tokotany no nihantsona, dia efa very ny bateria. Noheverina fa nisy jiro tsy voavono tamin'izay. Natosika ka natosika. Noho izany, dia endahina isan-kariva ary apetaka isa-maraina ilay bateria.
 
Ireo varavarankely moa dia efa kaliana kakazo kely mba tsy ho mora atosika ka hivoha. Ny saron'ny réservoir dia misy mangalatra foana na dia efa nosoloina boatina Pandalao aza. Fitandremana mba hampandry saina fotsiny ireny fa betsaka no azon'ny matihanina atao rehefa hangalatra izy.
 
Nony eny amoron-dalana àry i Sombiniaina, dia izao avy no entana rongotin'i Tiana, hariva sy maraina, hatsiaka sy hafanana, fanala sy oram-baratra :
-bateria
-clés vitsivitsy mety ho ilaina, miampy cric, vitsivitsy fa mavesatra ihany, nanamboarana kitapo kely lava taho mihitsy hilanjana azy satria roa ihany ny tanana.
-roue de secours atosika toy ny tamin'ny mbola zazalahikely
-daba misy lasantsy kely atao fiandry
-ny entan-kelin'ny tena rahateo miampy ny radio
 
Tsy maninona fa ajanona ao ny kojakoja hafa toy ny hoe pharmacie, extincteur, ...
 
Ary ankehitriny dia hatao akory angaha ny fandaminana ny amin'ny lanterne vaovao somary lehibe sady lafo vidy !
 
Samy manana ny bikany sy ny lanjany hoy aho ny hazo fijaliana lanjain'ny tsirairay isan'andro.
 
Fady tena fady ny manafatra an'i Tiana hoe mba itondray laoka rehefa mody ! Raha tsy hoe holohalohaviny hataony kinarinarina angaha ...

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: taxi, 4l, lanterne | Comments (0) |  Facebook | | | |