Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 31 January 2020

MAKA NUMERO

Inona moa no dikan’ity miasa indroa hoe maka numéro ity e ? Sa misy olona tsy maintsy omena asa, handamina ireo fatin-taratasy misy numéro, hizara azy, dia mbola handahatra olona indray koa ? Na aiza io na aiza, na amin’ny firy na amin’ny firy ny fotoana hovonjena ao amin’ny toeram-piasana anankiray, vao maneno akoho dia tsy maintsy tonga eny, haka numéro ! Fatiantoka ange izany, saingy ny Malagasy amin’ny ankapobeny, tsy mba mikajy ao anaty masonkarena ny « fotoana ».

Tsy mahay mamaky teny angamba ny ankamaroan’ny manan-draharaha eny amin’ny karazana birao. Raha mahay mamaky teny, dia tsy mahazo an’izay tiana hambara amin’ireo peta-drindrina izay tsy fantatra intsony na mbola mitombina na efa lany andro. Ka raha izay, dia izay mpanao filazana no tsy mahay mampita hevitra. (Tsy tiako ny teny hoe serasera fa ahatsiarovako an’i Sera adala, marary saina mandrongatra teny an-tanàna !)

Maka numéro : manomboka eny amin’ny filaharam-bary eny amin’ny tobim-pamatsiana ka hatrany amin’ny fakàna vola fisotroan-dronono. Sady milahatra ny numéro (araka ny maha-numéro azy), no milahatra ny olona !

Angaha izay ihany ? Mba misy ny endri-pivoarana antsoina hoe gestionnaire de file d’attente. Mila mahay mamaky teny ny olona, mijery sary, dia tendritendrena eo hoe inona no anton-dia. Avy eo, miandry fiantsoana, na mijery ny tabilao eny anoloana. Fa matetika dia misy olona mijoro eo anilan’ilay fitaovana, manontany sy manao izay tokony hatao eo amin’ny toeran’ilay mpanjifa. Asa indroa izany tompoko.

Eny amin’itony atao hoe parcmètre amin’ny toeram-pihantsonana : olona telo aman’efatra no mitangorona manotrona mampiasa an’ity fitaovana. Toy ny hoe manana fahasembanana ilay mpanjifa ka tsy maintsy atrehana.

Eny amin’ny trano avo mampiasa ascenseur, dia indraindray ahitana olona mpanindry bokotra, sao diso rihana ny mpandeha.

Eny amin’ny toerana fakàna vola atao hoe DAB (distributeur) na GAB (guichet), dia tsy menatra ireo mpiandraikitra ny fiambenana, miambina ny mpanjifa, manontany ny teny miafina, dia manatrika an’izay atao eo anoloan’ity toe-bola.

Eny amin’ny toerana misy « rivotra » fanabontsinana kodiarana : antsoina ilay « tompon’andraikitra » hikirakira ilay paompy.

Sy ny sisa.

KA SAO SIMBA KOSA TSINONA !

Rahoviana re vao hoe inty ny mpamily fa handrotsaka ny solika ao anaty fiarany e….

Tsy maintsy izay moa no fandehany rehefa « zaza », « bodo », « tsy matotra », ny ankapoben’ny mponina !

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.