Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Monday, 03 February 2020

MIAFARA AMIN'NY ZERO

Nohavaozina indray ity taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia satria toa hosoka hono ilay anankiray naloa vola efa ho efatra alina ariary. Toa afaka madiodio tsy nisy arakaraka ankoatra ny « teny maharary » izay tompon’antoka tamin’izany. Maimaimpoana hono ity fanavaozana ity, ary samy manana ny hevi-teniny ny olona, ka samy manana ny maimaimpoana aminy ihany koa. Fa ankoatra ny fitonantonanana dia vidiana lafo ihany ilay (tsy) fahaizan’ny hafa !

Teny amin’ny tambazotra atao hoe Facebook no nahitako hoe ny mitondra laharana miafara amin’ny 0 ihany aloha no hosoloina amin’ny enim-bolana voalohan’ny 2020. Izany hoe mbola manana 5 taona izany hanavaozana ny ambiny, raha tsy misy fiovana indray ao anelanelany ao. Dia lasa ity tenako nanangona an’ireto karazan-taratasy ilaina, nanomboka teny amin’ny fokontany ka hatreny amin’ny distrika. Tsy nisy maimaimpoana na iray aza.

alhambra.JPG

Dia indro fa tonga vao maraina tao amin’ity birao, eny amin’ny Alhambra Gallery Ankadimbahoaka. Milamina dia milamina ny fihantsonana, tombony anankiray iny raha oharina amin’ilay ao Ambohidahy. Tsy mbola tonga eny ny mpivarotra imprimés sy chemise-dossier miloko samihafa. Efa manana valopy lehibe vita printy araka ny anaran'olona ny CIM. Fa tsy ny asan’ny CIM (centre immatriculateur de Madagascar) no hasian-dresaka.

Mba nihevitra fa hoe tonga voalohany, adiny iray sy sasany mialohan’ny fivohan’ny birao. Tsia. Indreo andian-dehilahy lehibe, eo amin’ny 60 taona eo ho eo, no efa niatrana teo ivelany. Milahatra. Laharana fahafolo aho. Efa tamin’ny 6 ora maraina hono ry zareo no teo satria izay tonga aloha ihany no afaka mialoha. Vao nipoitra ny lohako, dia hoy ilay anankiray, lehiben-dry zareo « efa ampy tsara ny dossier-nao ? ». Eny hoy aho. Dia samy nivihivihy niaritra ny tsio-drivotr’i Sarompody teo. Fa tsy maty am-bavany ingahy lehibe. Dia indro nisy tovolahy anankiray, latsaky ny 30 taona kosa iny. Dia nanatevina ny resa-dehilahy teo. Manazava mafy ingahy « lehibe », manitsy ny olon-drehetra amin’ny hoe certification sy légalisation. Manitrikitrika mafy ingahy « lehibe » fa na tsy miafara amin’ny 0 aza dia mety, fa mba fandaminana fotsiny izany, sady jereo fa tsy be olona akory. Dia niteny malefaka ilay tovolahy fa rehefa izay dia izay. Dia niteny tamin’ny sasantsasany tamin-dry ingahibe ilay tovolahy hoe tsy mety ny anareo fa ity no laharan’ny permis fa ity laharan’ny série an’ilay karatra. Moa va nisy nihaino.

Sambany mba tsy nisy fizaràna numéro. Nony natao ny fandaminana tao anatiny, dia nasaina nihataka ry ingahy lehibe isany. Lasa faharoa aho ! Satria dia tsy nisy nanjary ny antontan-taratasin-dry zareo. Marina ny voalazan’ilay tovolahy. Tsy rehefa hoe nahazo taona tsy akory dia hanana ny fahamarinana rehetra. Mbola samy nijanonjanona niandry famindram-po teo am-bava tohatra teo daholo, dia niala tsikelikely toy ny jiosy. Ry ingahy lehibe isany.

Izay tonga aloha ihany tokoa, no afaka mialoha …

 

09:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: permis de conduire, alhambra, miafara ami'ny 0 | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.