Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Sunday, 11 August 2019

DIA NIOVA AHO

Tsaroako izany fahiny …

Tena mbola zaza aho dia nazoto nandray anjara tamin’ny karazana fifaninanana tamin’ny taranja nananako talenta : lahatsoratra. Ary izaho tsy manao raha tsy mahazo antoka fa handresy. Tsy hoe tsy ho resy, fa handresy. Dia lava dia lava tokoa ny lisitry ny fifaninanana nasionaly nahazoako loka sy amboara. Ny tenako dia mahalala fa nadio ny lalao : tsy nisy na inona na inona nataoko afa-tsy ny nanoratra, natao ao anaty valopy kely ny momba ahy, dia natambatra tamin’ny valopy lehibe izy rehetra, ary nalefa paositra talohan’ny fe-potoana voalaza, nohamarinin’ny fitomboka.

Arakaraka ny nandrosoan’ny fotoana, no nisehoan’ny zavatra hafahafa tamin’ireny fifaninanana ireny. Afa-tsy ny hoe, ny samy mpifaninana no nanjary nasaina mifampitsara ; nasaina nandray anjara ny mpihaino sy mpamaky sy mpijery. Hafahafa izany amiko satria dia tafakatra amin’ny tsy ahoan-tsy ahoana izay tana-maroandavaka sy manontona vola hividianana fandresena ! Fomba fiady daholo, hono, izany. Indrisy fa tsy fombako, ka dia hikisaka aho.

Fa ireto misy tranga efatra. Niainana. Taona 2012 tany ho any ny farany.

Voalohany. Ady amin’ny SIDA. Dia azoko soa aman-tsara ny loka voalohany tamin’ny tantara filalao amin’ny radio. "LOZA MITATAO" no nataoko lohateny. Tsy hotantaraiko ny antsipiriany. Fotoana fohy tato afara, akory ny hatairako nahita sarimihetsika tamin’ny TVM (televiziona malagasy). "LOZA HO AN’IZA" no lohateniny. Mba lalina lahy izany fifandrifiana. Toa ilay tantarako saika manontolo fa nanovàna kely. Tsy hita tabilao tamin’ireo nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ity anarako. Ireo mpikononkonona ny fifaninanana sy tompon’andraikitra tao amin’ny TVM no niteronterona rehefa niakatra ny soratra. Dia nanatona ny OMDA, ilay hoe mpiaro ny zon’ny mpamorona aho. Ka inona moa fa tsy nanangam-pahavalo fotsiny. Efa impolo no nitantarako an’izay. Niala maina toy ny avy nandevina alika.

Faharoa. Fifaninanana sombin-tantara. "RANO RARAKA" no lohateny nahazoako ny loka voalohany. Kisendrasendra no nahitako ny valiny tany anaty gazety Tribune, tamin’ny toerana kely misisika zara raha hita. Izaho no voalohany tamin’ireo telo voalaza ho mendrika indrindra. Fantatro ihany hoe izaho io na dia anarana tsoa-tokana tsy nisy fanampiny aza no teo. Niniana natao. Ho nisalasala aho raha tsy efa naheno mialoha tamin’ny olona anankiray sendra nifanena tamiko, nilaza hoe « ary naninona no tsy tonga tamin’ny fizaràna loka ». Satria dia efa nozaraina tamin’ny fomba manetriketrika ny loka, vola an-tapitrisa iraimbilanja. Mandehana hoy izy mankao amin’ny tranombokim-pirenena, fa ao ilay tompon’andraikitra. Nihodinkodina fatratra ingahy tompon’andraikitra, mpanoratra tsy anisan’ireo nankafiziko loatra na dia fanta-daza aza. Indro fa nipenimpenina eran’ity biraony midadasika be mangadihady. Nikarokaroka tao anaty vatasarihana tao, nanilikilika eran’ireto talantalana fandriam-bovoka ary nanolotra ahy boky efatra misy fitomboka be hoe « spécimen » efa lozotry ny taona !! Ireny, hono, no lokako. Tsy mbola niherina ny volana nivoahan’ny valin’ilay fifaninanana, dia efa zavatra miparitaka no nangonangonina namalifaliana ahy. Tsy tokony ho niandry ahy tamin’ny endrika maha-loka voalohany mitentina an-tapitrisa azy ve ny anjarako (na dia lelavola aza no nampanantenaina). Henatry ny literatiora ianao ramose, ary henatry ny protestanta fa azafady tokoa !

Fahatelo. Mba anisan’ny lohandohany tamin’ny famoronana orinasa kely miantoka olona hiasa amin’ny fanadiovana birao ny tenako. Nandeha dia nandeha tokoa. Nahazo « tsena » miaingitra araka ny nilàko azy mihitsy satria dia avo dia avo ny lentan’ny asa natao. Nihafiana sy niforetana ny antsojay nataon’ny mpamory hetra. Raha mbola vola no endrika kolikoly notakiany tsy am-pihafahafana, dia noefaina. Indray andro kosa, dia nanao fanadihadiana ity atao hoe antenimieran’ny varotra (chambre de commerce). Dia mba nihevitra ny tena fa ilaina ny fanarahana tambazotra amin’ny asa toy izao. Dia novaliana am-pahamarinana tsy nisy fahamalinana ireto andiam-panontaniana. Nony tapitra ny fetry ny fifanarahana tamin’ny mpanjifa anankiray, ka handeha hanavao, dia indrisy fa votsotra. Votsotra mangingina. Tsy iza no nandimby fa ny orinasa vao natsangan’ingahy lehiben’ny antenimieran’ny varotra. Ka raha tsy faly aho dia hitomany eo an-tsorok’iza ?

Fahaefatra. Sahy mandefa CV amin’ny toerana faran’izay saro-pady aho. Ity kosa tsy hotononiko ho fanajana an’ilay sehatra. Ny filazana dia nanamarika fa ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka no handinihana ny antontan-taratasy tsirairay. Dila ny fe-potoana fa tsy voaantso aho. Tamin’ny tsy nampoiziko no naharay hafatra aho mba handalo amin’ny foiben-toeran’ny gazety lehibe anankiray. Noheveriko fa tao no biraon’ny sampan-draharaha manera olona. Tsia. Ny vadin’ilay ramatoa tompon’andraikitra amin’ilay nandefasako CV no nampiantso ahy. Tompon’ilay orinasan-tserasera ilay rangahy ary nitsotra fa nomen’ny vadiny azy ny CV-ko fa olona tena mety aminy aho ! Noho ny halemeko dia tsy sahy niteny aho hoe mba aiza moa tompoko izany tsiambaratelon’ny fikirakirana izany ka ahoana no hatokisako anareo mivady ? Adivarotra karama no nataoko tsy naharaikitra ny tantara, noho ny antony roa hafa koa.

Dia miantsoantso tetikasa ingahy filoham-pirenena. Fihariana, sy ny sisa. Dia tsy hanao aho na mangidihidy fatratra aza ny saina sy ny tanako. Tiako sady haiko ny zavatra anaovany tolotra. Fa izaho tsy hanao. Tena ho an’ny soa iombonana ve ny fangalarana ny hevitry ny olona miraikiraiky toa ahy ? Olona tia mizara aho (taloha), mandeha indroa aho raha irahina indray mandeha (taloha), mamaly tsy anontaniana aho (taloha), manome tsy angatahana aho (taloha). Izaho ilay mpanao asa an-tsitrapo, mpanome ra maimaimpoana. Fa niova aho. Nanery tena hiova aho. Noteren’ny haratsian’ny fiarahamonina tsy te hiara-belona amiko fa hanao ahy ho fitaovana ihany, hamono ahy tsikelikely. Raha te ho faty aho dia haiko ny mamono tena fa tsy homeko ny hafa izay fahafaham-po izay. Efa nahatsikaritra ny toetry ny saka ny Ntaolo : mody mangataka mitalaho na ny masony na ny feony. Fa rehefa tsehiny ny hena, dia adinginy ny rambony fa resiny ianao.

Dia niova aho. Ireo "tsara" fanaoko taloha (araka ny niheverako azy) sy mbola ho azoko atao, dia (h)ataoko ho an’ny tontolo keliko. Sisa.

00:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: zara mira, zara katsa, zara vilana | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.