Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 31 July 2019

DIA KIVY NY TENA !

Ilay kofehy kely hany sisa nitazona ahy hihafy tamin'ilay "radio" dia efa ho maito tanteraka.

Asa raha azonao an-tsaina izany feo atao hoe "diesel". Feon'olombelona io, ary vehivavy. Feo somary matavitavy toy ny loarana avy any an-traotraoka any. Io ilay "mpanentana" vaovao mikarantsana vao maraina. Na tsy te hifoha aza ianao, na tsy tokony hifoha, dia ampy hisintona anao hoe "mifohaza" izany feo izany. Raha iny aho mba niala tamin'ireto karazana radio mitoritory teny sy mivavabavaka, dia sendra feo tena mankarary sofina ara-bakiteny. Samy manana ny critères de casting-ny tokoa angaha, nefa radio no resaka ... Raha tsorina, dia ratsy ilay feo.

Tsy vitan'izay te hitrena manao feo an-tenda ilay ravehivavy, fa tsy laitra akisoka manisika hatrany an'izay mba tiany hotenenina. Miteny taranja tsy voafehy, toy ny hoe betsaka glycémie ny vary (!!!), ary naverina ka naverina. Mba te hampihomehy fatratra ilay ralehilahy miaraka aminy fa indrisy. Asa na tsy azony na tsy henony (tsy henoiny), fa tohizany ihany ny azy.

Diso miteny be loatra izy ka mampiseho ny tsy fahampian'ny fahalalany ankapobeny. Diso misariaka be loatra izy ka manaporofo isa-maraina ny haivan'ny fari-pahatakarany. Dia atsahatro eto ndrao mameno ny tsy fenony tsy nahy eto aho.

Inona moa fa mba tora-po, tsy natao hisy handre akory. Rehefa tsy faly dia miala fa tsy andoavan-ketra manokana io! Fa ireto olona voafahana lalitra sy habobo sy mino fotsiny no mahonena. Ka mpiasan'ny radio io kouah! Nandalo sivana mafana vay matoa miteronterona any.

Ankoatra an'izay, io fampielezam-peo amin'ny onjam-peo iray io ihany. Manome sehatra hiresahan'ny mpihaino amin'ny alalan'ny téléphone. Dia ny eo ihany aloha no eo. Mpikambana efa vita famandrihana no ao ary efa fantatra mialoha daholo izay hotanisain'ny tsirairay.

Ao ireo vehivavy miandry fitoriam-pitiavana amin'ireo lehilahy mpanentana ao. Mba te ho voatonona manokana sy hanolorana hira manokana ! Angolangola re izao.

Ao ireo lehilahy misolelaka fatratra miezaka manaraka ny rian-kevitry ny sasantsasany amin'ireo mpanentana. Efonefona re izao. Tezitra be hono izany. Asa iza no tiany hidera azy fa tena te hoderaina ange izany e. Rehefa misy manohitra izy dia miova hatrany ny teniny : "tsy izany no problemako". Rehefa dinihana dia tsy misy problema akory hay izy fa mba te handre ny feon'ny tenany ...

Ao ireo olona te haneho fa efa manana resaka manokana tany anaty facebook (io ihany moa no mba tambazotra fantatra), ka tohizana amin'ny fomba tsy loa-body eny anaty radio. Te haneho amin'ny rehetra fa "mpinamana be" izahay (sy ny mpanentana).

Dia miteny ka miteny daholo izay tsy moana.

Hatao ahoana fa demokrasia hono e. Dia tohizo àry hoy aho e

18:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: animateurs radio | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.