Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Tuesday, 30 July 2019

NY MARI-BONINAHITRO

Ataoko mahitsy ny resaka mba hazava tsara amin’izay rehetra mahazo tenin-gasy. Efa ela aho no tsy niandrandra na inona na inona tamin’ny olombelona atao hoe Malagasy. Na fianakaviana io, na mpiara-monina, na mpiara-miasa, indrindra moa fa mpitondra fanjakana. Ny « hafa » firenena hatrany no mba naneho sitraka tamin’ny tenako sy ny asako. Naneho sitraka tamin’ny fomba rehetra ry zareo. Tsapa izany, ary zava-dehibe. Tsy sandam-bola ihany, ary hatramin’ny zaza madinika ka hatramin’ny masoivohom-pireneny dia nankasitraka ahy sy ny asako.

 

Tsy misy ilàn’ny Malagasy ahy fa vitan-dry zareo ny azy. Tsy ny maso ijerena no tsy mitovy, fa fadin’ny Malagasy ny hiaiky amin’ny anankiray zana-taniny fa « tsara » izany ary « mety ». Na avona na hambo no anaran’izany, dia hadisoana. Ny tompon-tsarety sy posy no efa nanoratra ny hiaky ny fony hoe « mody tsy tia nefa manara-maso ». Satria itony soratsoratra ataoko fahatany itony dia misy manara-maso tokoa. Ao ny mandika. Be ny maka tahaka. Maro ny manovo aingam-panahy. Tsy maninona izany raha atao an-karihary. Fa ilay fiafinafenana io no atao hoe halatra. Tsy vitsy ny mpangalatra. Ary ireo, tsy hiaiky na oviana na oviana hoe nataony zana-tohatra niakarana ange aho. Mbola hotohizako iny.

 

Fa ity. Mazava be amiko hoe inona no « zavatra » ifanomezan’ny Malagasy sitraka sy hoby. Mbola mitsindry ila ihany koa ny mizana amin’izany. Ao ny asam-pamonjena tsotra tokony ho nataon’ny olona rehetra na iza na iza no nanatrika loza teo (ordre de mérite). Ao ny mpampifalifaly amin’ny korana itsinjatsinjahana sy itabatabana amin’ny lanonana tsy dia ahitako haja firy (DJ-ing). Ao ny mpandakadaka baolina tsy nahazo laka akory fa mba hoe sambany nandray anjara tamin’ny lalao afrikana hoe, na tsy nahazo na dia medaly firaka aza (Barea "zokiny"). Jerem-potsiny ireo nahazo medaly volamena sy volafotsy sy alimo amin’ny lalao tsotsotran’ny ranomasimbe indiana. Makà vady vazaha aloha rankizy ! Ao ny mpihogahoga mively daba mihirahira, hono, zaza fady sekoly dia lazaina fa "kanto", dia mahazo "valisoa" mandeha fiaramanidina baojy mijery laboly any Egypta !!! Tsy mialona aho, mba sanatriavo. Dia variana aho fa dia misy ny manao fangatahana hoe mba omeo koa aho. Zendana aho fa dia misy ny manao fangatahana hoe mba omeo anaran-dalana ny havanay (Zafy).

 

Tompoko ô.

Hoy aho hoe : ary ankehitriny dia ireto telo ireto no ilain-dRamalagasy « tahotra, henatra, hambo ».

 

Izany no tsoa-kevitro, fa tsy hoe izany no ataovy. Tohizo ny lalanareo tahaka ny anohizako ny lalako amin’ny asako sy ny fitsembohako.

 

Sanatria dia sanatria ahy izay hanantena, mainka moa ka hoe hitaky mari-boninahi-pirenena. Izany aza hoe marika. Tsy marika no ilaiko. Ny amboa koa mba mahay manamarika ny faritaniny. Tsy ao anatin’ny fandaharam-potoan’ny fianakaviako ny hiantsoantso miaramila hafahafa hitsotsoka mozika amin’ny fahafatesanay. Hosodoko asan-tanana sy asam-pamoronan’ny tsara talenta ihany no ekeko hihantona amin’ny rindrin’ny tranoko. Fa tsy karazana mari-pankasitrahana. Tsy ilaina ny marika, fa ny voany no itsarana ny hazo, amin’ny maso tsy miangatra. Tsy italahoana koa izany, fa matoa tsy misy mpahita, dia tsy mendrika. Aleo ho an’ny mendrika ny mari-pahamendrehana atao hita maso, amin’ny maso … tsy miangatra !

 



06:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: mérite | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.