Wednesday, 24 May 2017
SEKTA, ARAKA NY HEVI-TENY
Lafin-javatra maro no azo anasokajiana sy amaritana ny Sekta : ny fiaviany, ny mpanorina, ny fomba fiainana ao anatiny, sy ny sisa.
Manana fomba fijery ny tontolo ivoarany ny Malagasy, ary toa tsy dia hita mikaon-doha kanefa mitovy hevitra amin’ny zavatra maromaro. Amin’ny Malagasy, dia antsoin’ny ankamaroan’ny olona hoe Sekta avokoa izay antokom-pivavahana na vondrom-bavaka vaovao rehetra ka tsy anisan’ny FFKM (1).
Raha misy fikambanana mikarakara hetsika matetitetika, mivoaka ny sehatry ny Fiangonana mahazatra, miendrikendrika « iraisam-pinoana », manao ngadon-kira manavia ny sofina, mitondra fanentanana somary mafanafana sy mientanentana, dia mahavelom-panontaniana hoe « Tsy Sekta ve izany ? ». Ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy, dia heverina ho sekta avokoa izay miventy matetika ny « Haleloia ». Tsy dia alehan’ny sain’ny Malagasy loatra kosa ny hihevitra fa sekta ny fikambanana iray, raha toa tsy miresadresaka fivavahana sy finoana mihitsy io fikambanana io.
Hevi-teny grika
Manana sivilizasiona tranainy tokoa ny Grika, ary ny teny grika dia efa notenenina hatramin’ny vanim-potoana « préhistoire » (2). Efa notenenina talohan’ny taonjato fahasivy talohan’i Jesoa Kristy izay nahalalana voalohany ilay mpanoratra malaza Homère ny teny grika. Nampiasaina indrindra indrindra tamin’ny tononkalo sy lahatsoratra ara-pivavahana ny teny grika, ka tsy azo dinganina raha hanao fandalinana mikasika ny tontolon’ny finoana.
Ny niandohan’ny teny Sekta dia ny fototeny grika hoe « hairetidzo » (fampianaran-diso), izay nanome ny matoanteny « Hairesthaï » (misafidy) sy ny anarana « Hairesis » (safidy, antoko), ary ny mpamari-toetra « haireticos » (mpiodina, mpanaraka fampianaran-diso). Araka ny hevi-teny grika, ny Sekta dia vondron’olona azo lazaina ho nikomy tamin’ny rafitra iray nahazatra.
Hevi-teny Latina
Teny tranainy ihany koa ny teny latina, nampiasaina tany Roma fahiny ary niely patrana ka tonga teny fototra tany Eoropa andrefana. Teny fampiasa amin’ny lahateny avo lenta sy ny fifandraisana iraisam-pirenena ny latina hatramin’ny taonjato faha-XVIII, ary ampiasaina amin’ny litorjia katolika hatramin’ny tenantenan’ny taonjato faha-XX. (3) Tamin’ny taonjato faha-III talohan’i Jesoa Kristy, dia nahazo vahana ny teny latina, nanjary nanana lanja lehibe ka nanomboka nadika tamin’ny teny latina ireo lahatsoratra maro tamin’ny literatiora grika. Ny endriky ny hazo fijaliana ampiasaintsika ankehitriny dia Lakroa latina.
Nivoatra ihany àry ny teny ka ho an’ny Latina, ny fototeny « sectus » dia nanome matoanteny roa : « sequi » (manaraka foto-kevitra na mpitarika iray) sy « secare » (manapaka). Ny Eglizy katolika dia mirona kokoa amin’ilay hevitra hoe « manapaka ». Vondron’olona nisaraka tamin’ny Eglizy no amaritany ny Sekta. Tamin’ny fiandohan’ny taonjato faha-roapolo vao nanan-danja kokoa ilay hoe « manaraka ».
Raha aravona,
dia Fisarahana no tena hevi-dehibe raketin’ny teny hoe Sekta : misaraka amin’ny Fiangonana na ny vondrom-piaraha-monina iray nisy ny tena teo aloha. Noho ny antony samihafa dia mamorona na manatona Fikambanana iray hafa. Fikambanan’olona manana faharesen-dahatra iombonana ny Sekta. Mankatò Lehibe iray izy (mbola velona na tsia, hita maso ifaneraserana na araka ny lovan-tsofina ihany) izay antsoiny hoe Dada, Maître, Zoky, Neny .... « Gourou » no ilazana ny tena filohabeny. Fiarahamonina (4) kely manana fomba fiaina manokana ny Sekta ary henjana tokoa ny fifampifehezana ao anatiny. Misaraka tanteraka amin’ny manodidina, izay tsarainy fa ratsy sy feno fahalovana izy, ka tsy misy marimaritra iraisana azo ekena mihitsy. Itovian’ny Sekta rehetra izay, fa ny endrika isehoany no maha-samy hafa azy.
Berthile RAVELONANAHARY
in SEKTA, NY PAIKADINY SY NY AMPINGAKO
Andiany SAHY, 2008, SEHATRA TEOLOJIKA HO AN’NY LAIKA (SETELA)
FACULTE DE THEOLOGIE FJKM, AMBATONAKANGA
20:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: sekta, hevi-teny, berthile ravelonanahary, setela | Comments (0) | Facebook | | |
The comments are closed.