Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Wednesday, 17 May 2017

MARARY FO

Ho lasa blog medikaly ihany ity! Tena tsy vitako ilay hangina.
 
Fanamarihana fotsiny no atao fa ny taranja atao hoe cardiologie dia tsy ho hay vetivety.
 
Raha tena tsorina. Amin'ny ankapobeny dia nofo ny fo. Toy ireny fon-kena fanao maskita ireny. Paompy no asany. Mipaompy ra. Mandalo ao aminy ny ra mba hodioviny, asiana oxygène izay avy amin'ny andraikitry ny havokavoka, dia mizara ny ra voadio eran'ny tena amin'ny alalan'ireo lalan-dra lehibe miditra ao sy mivoaka avy ao. Mikainkona (mitroka) sy mamotsotra (manondraka) no ataony amin'izany, mampiditra sy mamoaka. Izay no tsapa amin'ilay hoe "mitepo" sy "midoboka". Tokony hirindra sy tsy hiovaova izany, tsy hoe indraindray 40 isa-minitra, indraindray 120! Misy "hidiny" tsy tokony higedraka isaka ny fivoahana sy fidiran'ny ra. Ny pression na tsindry aterak'izay fidirana sy fivoaky ny ra izany no atao hoe pression artérielle, ilay antsoina mahazatra hoe "tension".
 
Marary ny fo raha toa ka misy fahavoazana ny singa mandrafitra azy mba hanatontosany ny asa maha-paompy azy. Mety mamotsotra ny "valves", ohatra, mety tsy ampy hery hikainkona hanosika ny ra intsony ny nofom-po, sy ny sisa. Ketraka toy ny élastique efa simba, tsy mahatazona fa miborotsaka. Betsaka ny antony. Anisan'izany ny fahanterana izay tsy azo ihodivirana. Saingy tsy izay foana ary tsy izay ihany.
 
Ny tsy fahavitan'ny fo ny asany no antsoina amin'ny ankapobeny hoe insuffisance cardiaque. Ho sempotra na mora sempotra ilay olona, tsy hahavita ezaka ara-batana loatra, ho mangana satria tsy ampy oxygène, ho hatsatra satria tsy ampy ra ... Ireo taova hafa moa dia tsy ho voavatsy araka ny tokony ho izy. Mety hivontovonto ny tongotra, satria ohatra tsy tafakatra miverina ny ra avy any amin'ny faritra ambany, mety hikorontana ny fitepon'ny fo sy ny tosi-dra. Sy ny sisa arakaraka ny fahavoazana miseho.
 
Marihana fa antony maro no mety hampibinabina sy hampivonto tongotra :
-aretin'ny fo
-aretin'ny voa
-aretin'ny aty
-tsy fahampiana protéines
 
Misy ny azo atao ho fisorohana ny fahavoazan'ny fo. Anisan'izany ary tena zava-dehibe ny fitandremana tsara ny fahasalaman'ny ati-vava sy ny tenda, ary ny fandaminana ny tosi-dra.
 
Misy ihany koa anefa ny aretim-po vokatry ny tsy fahatomombanana hatrany am-bohoka (cardiopathie congénitale). Maro no mety ho antony, mety ho fantatra na tsia, mety ho vokatry ny fanafody nohanin'ny reny. Efa misy fandraisana an-tanana (prise en charge) manokana atao amin'izany, dieny any an-kibo na efa teraka.
 
Aretim-po no resaka. Marary fo ny olona tratrany. Tsy ilay marary fo adika indraindray hoe maka lagy fa ilay tena aretina itondrana fahavoazana ao amin'ilay taova atao hoe fo mihitsy.
 
Araka izany, zava-doza tokoa ny atao hoe "marary fo" na hoe "manana aretim-po" fa tsy izay rehetra be sentosento, tsy tohinina, kizitina, tsy te hotoherina, be konetaka marivo ranomaso, be fihetseham-po dia hisora-tena sy hosokajiana ho "marary fo". Mety ho aretin-tsaina toy ny hystérie izany ...
 
Tsy moramora izany ka aoka tsy hosambasambaina! Ary manatòna dokotera fa aza lalaovina sy tambatambazana ary fitapitahana amin'ny zavatra tsy dia mitombina ny aina.

22:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: marary fo | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.