Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 14 February 2019

NANDOVA FITIAVANA

Nataoko fanao ny mampahafantatra ny olona tsirairay mifanerasera amiko, ny hevitro momba azy, hoe nahoana izy no avelako ho eo amin’ny fiainako. Ambarako amin’izay ahafahako miresaka izany, ary soratako ho an’izay tsy ahafahako miresaka. Izaho tsy karazan’ny olona hihafy amin-javatra tsy sitrako, raha mbola azoko atao. Halaviriko izay tsy ahatsapako hafaliana sy filaminana.

 

Ity hiran’ny BLACK M hoe « Sur ma route » no nanaitra kely ny aingam-panahiko. Raha fintinina dia hoe « tsy misy afa-tsy ny fianakaviana », « hafa ihany i dada sy i neny ». Dia marina izany.

 

Hafahafa ny toetr’andro, mijojo ny ora-madinika mahalena. Dia mahatsiaro aho. Mahatsiaro fa misy fihetsika sy fomba amam-panaon’i neny, tsy nampianariny ahy, fa tsapako ho notahafiko :

 

  • tafatsangana foana na mierotry ny havizanana aza ny rehetra
  • mahita hatao laoka foana na tsy miantsena herinandro aza
  • mahavita mofo kely foana na lafarinina tapa-kapoaka aza no eo
  • mahita lamba hozairina ho anay foana isaka ny krismasy
  • mahita zava-maniry hambolena foana isaka ny avy mandeha lavitra izahay
  • mitsena an’i dada eny am-baravarana foana isaka ny tonga izy, ary manatitra azy eny am-baravarana foana isaka ny handeha izy
  • manomana isan’andro ny fitafianay rehetra, voapasoka tsara, hatramin’ny madinika indrindra : tsaroako ny mosara sy ny karavaton’i dada, tsaroako ny fomba famalonany ny ban-kiraro. Ny famalonan-damba no zavatra tsy nety haiko tamin’ny zavatra hainy.

 

Nanam-bahiny izahay. Tsy nampoiziko ny fanamarihana nataony. « Mahakarakara sy be fitiavana erỳ, hono, aho ». Tena tsy mba nihevi-tena ho toy izany aho fa toa zavatra mandeha ho azy ihany … Rehefa nandinika aho, dia tsapako fa notahafiko tamin’i neny daholo izany. Izay ananana tokoa no azo anomezana.

 

Sahy milaza aho fa niaina fahazazana feno fitiavana. Teo amin’i dada sy neny

 

Hoy ny olona rehefa mivahiny : « aza mamorona ny tsy misy ». Tsy mamorona ny tsy misy aho ary tsy afaka hanome an’izay tsy ananako.

00:03 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: fitiavana, dada sy neny, saint valentin | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.