Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Thursday, 07 February 2019

EN MODE ZONE

Ny ZONE SY NY TONTOLONY dia hatao taranja mitokana. Ny azo tonga dia lazaina aloha dia hadisoan-kevitra ny hoe nitondra « fandrosoana » izy ireny. Dia hadalana miharo kasoa koa ny alahelo be raha « foana » na lefilefy izy ireny.
 
Rehefa mahita olona maromaro milahatra na mitokoko manara-drindrina, dia azo an-tsaina fa misy vaky balle izay ao :
-Entana zaraim-potsiny toy ny mofo eny amin’ny karàna rehefa zoma, …
-Fizaham-pahasalamana sy fitsaboana solde be
-Dokam-barotra finoana sy fanantenana ary fahagagana
-Fandraisana mpiasa “mety amin’ny zava-drehetra” : maçons, mpandroso sakafo ankamehana, mpivarotra mandehandeha, …
-Ary, Zone « mandray » mpiasa.
 
Dia milahatra raolombelona, manao metimety, mivingitra valopy lehibe tandremana tsy haloto. Miasa mafy ny « cyber » amin’ny « fanamboarana » rehetra.
 
Firy kay no olona « mahay » mamaky CV ? Tsy ny fanoratana CV no zava-dehibe, fa ny fahaizana mamaky ny CV. Ny olona mahay mifidy mpiara-miasa, dia tsy voatery hitaky CV an-taratasy.
 
Dia mitandahatra raolombelona. « Miandry raharaha » ara-bakiteny. Milahatra ambongadiny fotsiny aloha. Tsy mahafantatra hoe inona no « asa » misy. Dia ampidirina asesy toy ny omby hatao vaksiny. Tombanana kely. Ampiresahana kely. Mety (mody) hampanaovina fitsapana kely.
 
Raha ohatra hoe ozinina mpanao akanjo, dia izao no miseho :
-izay manana fiofanana dia lasa patronier, coupeur, agent de méthode, chef d’atelier, …
-izay antonontonony dia atao chef d’équipe, chef de chaîne, contremaître, contrôleur, …
-izay azo ihafiana dia atao machiniste (mitaingina an’ireo karazana masinina fanjairana)
-ireo tsy hita loatra izay azo raisina aminy, dia atao petites mains, izany hoe mpanala tain-kofehy !
 
Fa io koa, arakaraka ny endrika amam-bika. Indraindray.
 
Aza hitako izay mitovy amin’izany daholo ny fomba fandraisana « mpiasa » ankehitriny. Aza hitako izay toy izany koa ny any amin’ny fitondram-panjakana ambony any. Hoe mitondrà CV sy karapanondro dia milahara eo am-bavahady, dia manatona an-dranona, dia mameno taratasy kely, dia misafidy ministera, dia miandry fiantsoana …
Aza hitako ! Zone koa any fa rouge !

12:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: recrutement, zone franche, cv | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.