Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Friday, 26 October 2018

AZA MAROFY TOMPOKO

Tena efa tsy te hiresaka an'ity sehatra ity intsony mihitsy aho. Fa tsy maintsy hamoha fota-mandry ihany.

Maty ilay vehivavy tonga hiteraka. Henoko ny feon-dakolosy avy amin'ny fianakaviany. Nasian'ny mpilaza vaovao sasany sira sy karibonetra araka izay metimety aminy ihany koa.

Dia nandray fitenenana ny tompon'andraikitra ao amin'ny Ministera. Mazava ho azy fa tsy maintsy mamely latsa kely toy ny mahazatra an'ity Fitondrana ity : "efa taraiky loatra koa ange vao tonga taty ilay olona e".

Eny e. Taraiky ny olona. Tsy ampy ny fitaovana. Sarotra ny toetr'aretina. Tsy Zanahary ianareo na dia fantatray fa tampom-pahaizana amin'ny sehatra iasanareo aza.

Fa hono ho'aho. Sarotra be tokoa ve ny mba manamboatra ny fomba fandraisana olona? Sarotra be ve ny manaja ny olona tonga tsy fidiny any aminareo hitady aina sy fahasitranana? Sarotra be ve ny mba mianatra comédie raha toa tsy voajanahary aminareo ny atao hoe fahalalam-pomba? Sarotra be ve ny mamerina ao an-tsainareo hoe tsy novozonana ianareo nisafidy io asanareo io, izay ianarana mihoatra be ny fito taona?

Mba azonareo an-tsaina ve ny hotakotaka sy fangitakitaky ny olona hanatona anareo? Toy izany angamba ny fihetseham-pon'ny olona voaheloka ho faty. Toy izany angamba ny tebitebin'ny omby asesy ho any amin'ny labatoara. Saingy tsy maintsy manatona anareo satria tsy vita ny hiandry fahafatesana ao an-trano. Aleo mba mody miala nenina ihany mba hanamaivamaivana ny feon'ny fieritreretana ...

Hoy ny resaka : rehefa tsy manam-bola na mavomavo aloha dia aza manantena ho tafavoaka velona e! Tsy hisy mpiraharaha akory. Diso izany. Mitovy avokoa ny anjara miandry anao na misy vola ianao, na tsara fitafiana, ... Eny fa na dia mpiray asa samy ao amin'ny sehatry ny fahasalamana aza ianao! Vao mainka ianao vorona matavy ary tsy hisy hena-maso firy akory izany.

Santionany kely. Ampiresahana tsirairay ny zanaky ny marary : "aiza isika no miasa? Ha. Matanjaka be kosa!". Tsy elaela akory, mahazo fanamarihana toy ny hoe "Ary tsara fiara daholo ny zanak'i Neny an"...

Takatrareo ny dikan'izany.

Mitombina ho an'ny olona rehetra amin'ny toerana rehetra misy azy izao teny izao : tsy ampy ny fahaiza-manao (izay efa ametraham-panontaniana hoe ananana tokoa ve). Ny fahaiza-mitondra tena no mba takiana amin'ny tsirairay. Savoir être.

Tsy ho anjely na olo-masina na Andriamanitra madinika. Fa mba mihevitra ny hafa.

Ary mba mataho-tody ihany koa na ela be aza izany.

Mahereza ry havana!

 

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: personnel de la santé | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.