Ok

By continuing your visit to this site, you accept the use of cookies. These ensure the smooth running of our services. Learn more.

Saturday, 01 September 2018

HASINA INONA ?

Alasora dia anisan’ny akany nahafoizan’ny Andriana maromaro nanan-daza teo amin’ny Fanjakana Merina sy Fanjakan’i Madagasikara. Anisan’ny vakim-paritra Avaradrano, izay iarahana mahalala ny lanjan’ny hoe « avaratra » teo amin’ny Ntaolo. Ny tena « vohitra » dia Ambohitrandriananahary, atsinanan’Ambohimanoa, ilay tena fantatry ny maro ho Alasora. Tsy horesahako ny halatra akoho, fa tantara hafa iny.

Efa nisy lahatsoratra nataoko, mikasika ny vohitra Ambohitrandriananahary. Eo am-pototr’io ankehitriny (2018), ary efa taona vitsivitsy izao, no fanarian’ny Commune fako. Ambohinonoka no anaran’ilay toerana. Nisy fotoana aza, « nampindramina » an’Antananarivo renivohitra io toerana io, hanaterany ny fakony. Eken’ny tompon’andraikitra eny an-toerana, ary « tsena » notadiaviny mihitsy, fa vola io ! Ny vola no tsy misy fofona, fa ny fako dia mavoroka. Ny fahalovana rehetra dia aterina eo : fakon-tokantrano, fatim-biby, lamokan’atody entina amin’ny fiara lehibe, diky noloarana avy amin’ny lava-piringa. Eo koa no doroina mandavan-taona ny fakon’orinasa, ny kodiarana tonta, mijolofotra setroka mainty matevina manenika ny lohasaha. Miparitaka eran’ny lalana, izay efa ambolomboloina, manentsina ny tatatra diovin’ny mponina manodidina amin’ny herim-po sy herin-tsandriny, miparitaka ny korontan-taratasy sy plastika. Miravaka fako ny tanety. Fampandriana adrisa ny hoe hananganana orinasa mpanodina fako. Fa efa nolazaiko, fa tsy mendrika mihitsy ny « fampandrosoana » avy amin’ny fako sy ny tay. Ny tantely vidin’amboa aza, mankaloiloy, hoy ny ohabolana.

Eny ihany koa no fieren’ny jiolahy isan-tokony : mpangalatra fiara manafina ny hazany, mpanendaka manavaka ny ilainy sy tsy ilainy tamin’izay azony an-keriny, mpanolana sy mpangala-pitia manao firaisana ara-nofo tsy voaro amin’ny rivotra sy ny masoandro, mpanapaka hazo sy mpangalatra kitay,  mpaka bozaka sy mpifoka bozaka, …

Tsy misaraka amin’ny toerana mpiray tampo amin’Andralanitra ny olona mpikirakira fako. « Famoronana asa » anankiray koa io. Na zaza, na lehilahy na vehivavy, dia tonga eo isan’andro mihiratra, mikafiry misava sy mandrava ny fonosana sy fatorana aterina eo. Ary dia manjary misy brokantera eny amin’ny manodidina : fivarotana ny fako nosivanina teo Ambohinonoka !

Mba namboarina ity ampahan-dalana mankeny Ambohitrandriananahary. Natao rarivato. Ary dia nanamora ny asan’ireo mpanankarena tsara fiara io lalana io, tonga manary ny fakony eny amoron-dalana rehetra eny. Taloha manko, manimba fiara izaitsizy ny haratsian’ny atao hoe lalana ! « Famoronana asa » anankiray koa io lalana namboarina io. Izao no fandehany : isokirana anankiray ny vato eo ampovoany. Izay mahatsiaro ho voahelingelina dia manilika an’iny eny amin’ny sisiny. Ary dia misy mitaona izy ireny, hokapohina havadika vatokely hamidy amin’ny gamanta !

« Mandroso » ny tanàna e !

Dia naheno aho hoe hisy hetsika « hamerenan-kasina » an’ilay vohitra ! Tsy vaovao io. Na tsy hovelabelarina aza, dia efa fantatro ny fandaharam-potoana sy ny endrik’izay hatao eny. Fa nankaiza moa ilay hasina ? Naninona no very sy navela ho very ? Mora very loatra izy izany … Fametavetana ve mihoatra ny fako sy izay zavatra efa navoaky ny olona aterina sy atoby eny ? Fa io, toy ny zava-drehetra tsy manjary ao Madagasikara : « vao omby tondro tsy taitra, fa omby loha vao mikoropaka ».

Oviana no nanopy maso farany teny ireo terak’Alasora, ankoatra ny fandevenana (fanafenana) natrehana ?

 

08:00 Posted by Rondro H RAKOTOBE | Tags: alasora, ambohitrandriananahary, famerenana hasina, fako, safo | Comments (0) |  Facebook | | | |

The comments are closed.